Alahady 15 Mey 2022

I Korintiana 2. 12-16

Ny olona nandray ny Fanahin’Andriamanitra.

Miavaka ny olona efa nandray ny Fanahy Masina, araka izay anambaran’ny Apostoly Paoly azy teo satria:

1- Mahafantatra izay zava-tsoa nomen’Andriamanitra

Tsy ny fahaizana mandaha-teny akory no ilazana fa manana ny Fanahy Masina ny olona iray, ary izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: « … Tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny Fanahy izahay. »(and.13). Izay nimasoany indrindra dia ny filazana fa Jesoa Kristy no Fahamarinana, ary Izy no fototry ny Filazantsara. Nambarany mazava tsara fa ny herin’ny Fanahy Masina izay miasa ao anatiny no manambara izany aminy. Sarotra amin’ny olona izay araka ny nofo ny mandray izany fahamarinana izany, hoy izy: « …fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. »(and.14b).

2- Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.

Misy karazany roa ny olona, araka izay anasokajian’i Paoly azy: ao ireo izay araka ny nofo, ary ao kosa ireo izay araka ny Fanahy (and.14). Ny olona izay araka ny nofo dia ireo olona tsy manana ny Fanahy ka tsy mihevitra afa tsy izay zavatry ny nofo sy ny filàny (Jereo Efe5.5; Gal 5.21). Mifanohitra amin’izany kosa ny olona izay manana ny Fanahy, satria ao aminy ny fahamatorana rehetra; ny Fanahy no mifehy azy; ary izany fananana ny Fanahy Masina izany no tombony ho azy, raha mitaha amin’itsy voalohany. Afaka mitsara ny zavatra rehetra izy, izany hoe mamantatra sy mandinika tsara ny zavatra rehetra izay miseho, ary manavaka izay zava-dehibe sy tsara tokony horaisina sy hatao, sady manary izay rehetra tsy mahasoa.

Fanontaniana:

Ahoana no ahaizana manavaka ny mpaminany sandoka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV