Alakamisy 12 Mey 2022

ASAN’NY APOSTOLY .25-34

Ny tena mpitory Filazantsara

Ny tantaran’ny nihaonan’i Filipo tamin’ilay tandapa Etiopiana no andraisantsika ny hafatra anio .Hisongadina amin’izany fa ny tena mpirory ny Filazantsara dia :

1-Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo ka nanao hoe : « Mitsangàna ka mandehana mianantsimo ho any amin’ny làlana mankany Gaza, izay mamakivaky tany efitra. Dia nandeha avy hatrany izy rehefa nahazo izany fanirahana izany .Zava-dehibe tokoa ny tokony hankatoavantsika ny baiko omen’Andriamanitra na dia tsy azontsika mazava dieny ety am-piandohana aza ny hevitry ny fanirahana .Andraikitra lehibe no apetraky ny Tompo amin’ny fiangonana satria Izy no maniraka ireo izay nantsoin’ny Tompo hitory ny Filazantsara . Ny tena mpitory Filazantsara kosa dia tsy hifidifidy toerana anirahana fa hanaiky handeha amin’izay hanendren’ny Tompo azy araka izay fandaminana apetraky ny fiangonana.

2-Vonona hampianatra ny Soratra Masina

Ary satria hitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy no nanoloran-tena sy niantsoan’ny Tompo an’i Filipo dia vonona izy ny hamaly izay mila fanazavana mikasika ny hevitry ny Soratra Masina .Indro lehilahy Etiopiana iray avy an-tany lavitra , nivahiny tany Jerosalema mba hivavaka ,niezaka mamaky ny Soratra Masina ,nitady ny fahamarinana nefa noho ny tsy fisian’ny mpampianatra azy dia tsy azony izay ambaran’ny Soratra Masina .Izany lehilahy izany no nanirahan’Andriamanitra an’i Filipo .Tsarovy fa ny tena andraikitra voalohany miandry ny mpitory ny Filazantsara dia ny hanazava ny hevitry ny Soratra Masina .Ataon’ny olona ahoana tokoa moa no fahay raha tsy misy mpampianatra? (and31)

Fanontaniana:

Liana ami’ny fianarana S oratra Masina ve ny fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina