Talata 10 Mey 2022

JAONA 14.25-26

Ny Fanahy Masina …

1-Izy no hampianatra ny zavatra rehetra

Tsy maintsy ho avy ny fotoana izay hisarahan’i Jesoa amin’ny mpianany .Ary izany no nampaherezany azy ireo ka nilazany hoe: « Aza malahelo ny fonareo… » Jao 14.1…) .Nampanantena Izy fa ho avy ny mpananatra, dia ny Fanahy Masina . Izy no hampianatra ny zavatra rehetra izay efa nambaran’i Jesoa fony Izy tety an-tany . Maro mantsy ny zavatra izay tsy mbola nazava tamin’ny mpianatra tamin’izany , izay hihamazava miandalana aty aoriana,rehefa omena azy ireo ny Fanahy Masina .Izy no hirahin’ny Ray amin’ny Anaran’iJesoa mba ho eo anilan’ny mpianatra mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao . Ny fitarihan’ny Fanahy Masina no mampianatra ny fiangonana izay rehetra lazain’ny Tenin’Andriamanitra .

2-Izy no hampahatsiaro izay rehetra nambaran’i Jesoa

Mora manadino ny mpianatra, ary tsy ny mpianatra ihany fa isika koa. Rehefa tsy eo intsony i Jesoa dia sarotra amin’ny mpianatra ny hitahiry izay rehetra nambarany ,satria eo ny tahotra noho ny fanenjehana , ao koa ny fanadinoana fotsiny izao amin’ny maha-olombelona .Ny Fanahy Masina no hiaro azy ireo mba tsy ho tratran’izany fanadinoana izany .Tsaroana eto ny nambaran’i Jaona hoe: »Ary koa rehefa nitsangana tamin’ny maty Izydia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy, ary dia nino ny Soratra masina sy ny teny izay nolazain’i Jesoa izy » (Jao 2 .22).Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro antsika izay rehetra efa nambaran’i Jesoa , mba tsy hahatonga antsika ho tratran’ny fihemorana amin’ny finoana .

Fanontaniana :

Ahoana no hamantarana fa ny Fanahy Masina tokoa no mitarika antsika fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina