Alatsinainy 09 Mey 2022

EFESIANA 5.8-21

Ny fitondrantena mahamendrika ny kristiana

Manome fampianarana ho antsika momba izay tokony ho fitondrantena ny Apostoly Paoly araka izao manaraka izao :

1-Mandeha amin’ny fahazavana

« Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy » (1 Jao 1.5). Ny olona mandeha ao amin’ny fahazavana dia izay mamantatra sy manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra (and10) , dia ny fahatsarana , ny fahamarinana, ny rariny sy ny mahitsy .Tokony ho fantantsika izay sitrapon’ny Tompontsika . Ilana ezaka sy finiavana izany .Ny kristiana tsy mandeha ao amin’ny mazava dia tahaka ny olona iray izay matory miaraka amin’ny faty manodidina azy ,ka ny fiezahana hiarina no làlana handraisana ny fahazavana avy amin’i Kristy .Avy amin’izany no nahatonga ny Apostoly hiantso hoe: « Mifohaza ianao izay matory , ary mitsangàna amin’ny maty dia hampahazava anao Kristy (and14)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV