Alahady 08 Mey 2022
JAONA 7.37-44
Jesoa no mahafaka hetaheta
Tsy ny rano ihany no mampangetaheta fa ny faniriana tsy mety tanteraka dia mety mampangetaheta ny olona avokoa.
1-Miantso izay mangetaheta hanatona Azy Jesoa (and37)
Ny andro farany izay andro lehibe indrindra tamin’ny andro firavoravoana teo amin’ny Jiosy no nanaovan’i Jesoa fanambarana tamin’izay rehetra nanatrika teo hoe : « Raha misy olona mangetaheta , aoka izy hanatona Ahy ka hisotro » (and37) .Mifandraika amin’ny fahatsiarovana ny hetaheta nahazo ny zanak’Israely tany anefitra izany fanambarana izany .Tamin’izany , rehefa nangetaheta mafy ny olona dia nanehoan’Andriamanitra fahagagana tamin’ny alalan’ny fanomezana rano avy tamin’ny harambato .Tiany ampahafantarina izay rehetra mihaino azy ,fa hetahetam-panahy no mahazo ny olona ankehitriny ka tsy hahitany fitoniana .Izay rehetra manatona sy mino Azy ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy eo amin’ny fiainany no tsy hangetaheta intsony .
2-Manome ny Fanahy Masina Izy (and38)
« izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony , araka ny voalazan’ny Soratra Masina « (and38) . NY hevitr’izany dia izao : izay rehetra mino Azy dia ho feno ny Fanahy Masina . Jesoa dia efa nilaza hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » (Asa 1.8) .Ny Fanahy Masina no hery handresena ny fahotana (Gal 5.16-17) , manampy amin’ny fahalementsika (Rom 8.26) , hery manavao sy mamelona fanantenana maharitra mandrakizay , manolo-tsaina amin’ny fivavahana (Efes 2.18) .Ny Fanahy Masina no toy ny ranovelona miboiboika avy ao anaty ka mahatonga ny olona ho feno fifaliana marina sy fiadanam-po tanteraka .
Fanontaniana :
Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina ve ianao ? Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM