Manjo

FILAZANA MANJO

Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, ho hampandrenesana antsika ny fodiamandrin’ny

Mpitandrina RAKOTONDRAINIBE Richard William,

Sekretera Jeneralin’ny FJKM teo aloha

Mpampianatra ao amin’ny TPM Ambatonakanga

Mpitandrina misotro ronono FJKM Isotry Fitiavana

Mpitandrina Synodaly FPMA France

Filohan’ny FIZOKAVITA Avarabohitra Itaosy

ny alatsinainy 02 mai 2022 teo amin’ny faha-88 taonany

Ny nofony dia hiala ao an-tranony Lot AVB 48 Avarabohitra Itaosy ny Alakamisy 5 mai 2022 amin’ny 11ora , hanomezam-boninahitra an’Andiamanitra ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana (12ora) , alohan’ny handevenana azy eny Andranovelona Ilafy.

“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.”Jeremia 31:3b

……………………………………………………………..

(Ny fotoanantsika Birao SFPMA dia eny amin’ny FJKM Isotry Fitiavana amin’ny 11ora30.

Perikopa 2022

Mey: MANAVAO NY FANAHY MASINA

| | 26. Andro niakarana
Gen 5.18-24/ Lio 24.50-53 / Kol 3.1-11

| | 29. Ala VI man Paska
Sal 104.24-35 / Lio 11.9-13 /2 Tes 2.1-12

Jona: MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO

| | 05. PENTEKOSTA
Nom 11.16-25 / Jao 20.19-24 / Tit 3.3-7

| | 12. Ala.Trinite- SEKOLY FJKM
2 Tant 20.5-9 / Lio 6.1-5 / 2 Kor 10.1-11

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY