SAFIF FJKM/4O Taona

FAHA-40 TAONAN’NY SAMPANA FIFOHAZANA FOIBE FJKM

FITORIANA NY FILAZANTSARAN’NY FANDRESENA HANOVA NY TANTARA

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona’ny Sampana Fifohazana FJKM, ny synodamparitany Efatra eto Antananarivo sy ny manodidina ary ny Komitin’ny fankalazana ny faha-40 taona dia manasa antsika rehetra tsy ankanavaka hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana lehibe eo Antsonjombe ny Sabotsy 07 May 2022 tontolo andro: – Fitondrana am-bavaka ny firenena – Fampianarana sy toriteny; – Asa sy fampaherezana ho fanafahana sy fanasitranana ny marary ary ho fanomezan-toky ny fandresena ao amin’i Jesoa Kristy velona.

Hisokatra manomboka amin’ny 06 ora maraina ny vavahady.

Hifandimby hanafana ny fotoana ny tarika Christophe Ratrema, ny Ampifitia, Ny GM3, sns….. ary ireo seha-pitaizana ao amin’ny synodamparitany efatra.

Hiomana amin’ny asan’ny Tompo ny Mpiandry rehetra. Tongava maro.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!

Clauderasata

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV