Vavaka iombonana 12

Ny Akhdam any Yemen

Mpanangona fako i Aisha ary mipetraka any amin’ny tanàna ambanivohitra any Yemen. Miady mafy amin’ny fivelomana izy, satria voahilikilika hatrany noho ny fepetra ara-piarahamonin’ireo Akhdam hatramin’ny niandohan’ny ady tao Yemen, taona maro lasa izay. Tahaka ny ankamaroan’ny olona mahantra indrindra eto, dia mandany ny androny eny amin’ny fanariam-pako izy, miezaka mitady rano, sakafo na zavatra hafa azo ampiasaina na amidy. Saika maty i Aisha rehefa tratran’ny Covid tamin’ny taon-dasa – tany amin’ny tanàna kely tery satria tsy nisy olona afaka nitondra azy hotsaboina tany amin’ny hopitaly. Kanefa lehibe ny fanantenany, nanantena ny hihatsara izy sy ny olony.
Ny tombantombana ofisialy dia milaza fa 500 000 ny Akhdam ao Yemen, saingy misy loharanom-baovao hafa milaza fa manakaiky ny 3 000 000 izany. Tsy fantatra mazava ny niandohan’izy ireo, saingy taranaka Afrikana izy ireo ary niatrika tsy fitoviana ara-tsosialy hatramin’izay. Voavakavaka amin’ny lafiny maro izy ireo ary tsy manana fahafahana firy. Mipetraka mitoka-monina, any amin’ireo tanàna ambanivohitra any Yemen ny Akhdam ary fifangaroan’ny Amharic, Somali ary Arabo ny fiteniny. Hita taratra amin’ny toe-piainan’izy ireo fa tsy manana fahafahana hahazo mihoatra noho izay ilainy izy mba hivelomany. Tsy misy trano onenana, tsy misy herinaratra. Tsy misy mianatra ny ankamaroan’ny ankizy ary mandratra fo ny isan’ny zaza maty. Maro amin’izy ireo no voan’ny aretina tarazo (manaranaka) na dia aretina azo tsaboina aza.
Maro amin’ireo Arabo Yemenita no mihevitra ny Akhdam ho Silamo ratsy noho ny fomba fiainany, ka manao ny tsy rariny amin’ny fikarakarana azy.

Mivavaha isika :

• Ho an’ireo fikambanana izay miaro ny Akhdam mba hanana fahafahana bebe kokoa sy hampitovy ny fitondrana any Yemen. Mivavaha mba ho mora kokoa amin’izy ireo ny fikarakarana ara-pahasalamana, mba ho tafiditra any ny fanabeazana. (Ohabolana 14:31).
• Mivavaha mba hahitan’ny Akhdam fanantenana sy hoavy, ao amin’ny drafitra napetrak’Andriamanitra ho azy ireo. (Jeremia 29:11).
• Mivavaha ho an’ny fahavitan’ny fandikana ny Baiboly amin’ny fitenin-drazany amin’ity vondron’olona ity sy mba hizaran’ny mpiasa kristiana ny fitiavan’i Kristy amin’izy ireo.
(Jaona 3:16).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV