Vavaka iombonana 11

Ireo Yemini any avaratr’i Yemen, mbola tsy tratry ny filazantsara

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Mponina maherin’ny 13 tapitrisa izy ireo ary miteny Arabo Sanaani, Silamo Shia ireo ary iray amin’ireo firenena be mponina indrindra eran-tany . Fa tsy misy Kristiana sahy mijoro vavolombelona ao. Tonga tao Yemen ny Kristianisma tamin’ny taonjato faha-4, saingy vetivety foana dia ny finoana Silamo no nanjaka tao. Mandraka androany dia tsy voakasiky ny Filazantsara izy ireo.
Isan’ny firenena nolalovan’ilay hetsi-bahoaka Printemps Arabe ny tao tamin’ny taona 2011.Mialohan’izany dia efa anisan’ny firenena mahantra indrindra tany Moyen- Orient izany firenena izany. Nanapotika ny toe-karena ny ady an-trano ary niainan’ny vahoaka ny fahantrana lalina sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

Niankina tamin’ny fanampiana avy any ivelany izy ireo saingy noho ny Covid-19 dia maro ireo fanjakana nampihena na nampiato izany mba hiarovany ny toe-kareny manokana. Tsy nisy ny solika ary tsy maintsy nohafarana koa ny ankamaroan’ny sakafo izay nanjary tsy voavidy vola noho ny fahasahiranan’ny vahoaka. Tsy zarizary ny fahasalamana kanefa tsy nisy fahafahana hitsabo ireo karazana aretina nateraky ny tsy fanjarian-tsakafo. Ity no anisan’ny krizy mafy indrindra maneran-tany ary tsy azo heverina izay fihatsarany raha tsy mbola tapitra ny ady an-trano.

Mivavaha isika :

• Mivavaha ho an’ireo vehivavy Yemenita tavaratra. Ny kolontsaina ao amin’izy ireo dia manery ny vehivavy amin’ny fanambadiana atolotra sy ny fanavakavahana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mba homena fahafahana bebe kokoa ny vehivavy. Mbola kely ny vehivavy dia ampanambadiana ary miteraka, dia izay no antony mahatonga azy ireo hiharan’ny tsy fahampian-tsakafo sady tsy dia mahazo fitsaboana firy amin’ny aretina. (Nomery 6:24-26).
• Mivavaha ho an’ny fandriampahalemana ao Yemen. Mba hampitsaharana ny ady sy hamerenana ny firenena amin’ny laoniny. (Matio 5:9).
• Mivavaha amin’Andriamanitra mba hahita làlana hizarana ny Filazantsara any Yemen Avaratra. (Isaia 65:1).

Perikopa 2023

Aprily: NY HERIN'NY FITSANGANAN'NY TOMPO

| | 02. SAMPANDROFIA-Sampana DORKASY
Zef 3.14-20/ Lio 19.29-44/ Apok 7.9-12

| | 06. Alakamisy masina
Sal 41.4-13 / Lio 22.47-53 / 2 Pet 2.11-16

| | 07. Zoma masina
Dan 9.24-27/ Lio 23.39-49 / Rom 5.6-11

FJKM Fahazavana

FJKM ANDAVAMAMBA KRISTY VELONA

26 Martsa 2023