Vavaka iombonana 10

Ny Foko Mehri

Any ho any, any akaikin’ny sisintanin’i Yemen ary akaikin’i Arabie Saoudit dia misy foko kely antsoina hoe Mehri. Manana ny teniny ireo ary tena mbola mampiasa sy miaina miaraia amin’izany mandritry ny androm-piainany. Tombanana hihoatra ny iray hetsy no mampiasa izany teny izany any an-toerana, na izany aza dia voamariky ny sampandraharahan’ny Unesco izay misahana ny tenim-pirenena samihafa fa anisan’ny tandindonin-doza ny teniny noho ny antony maro. Iray lehibe amin’izany ny fizarazaran’ny fanjakana any an-toerana ka mampitoka-monina ireo vahoaka Mehri.

Mivavaha isika
• Mananosarotra ny hitondrana ny filazan-tsara any amin’ireo vondron’olona izay nanjary nitoka-monina ireo. Tsy mbola misy koa ny Baiboly amin’ny fitenin’izy ireo, tsy mbola nisy na dia fandikana ambava akory aza.. Mivavaha ho an’ireo Kristiana mahay ny teny Arabo mba ho afaka hanatona an’ity foko lavitra ity. Mivavaha mba hisy fahafahana mandika ny Baiboly amin’ny teniny. (1 Korintiana 14:10-11).
• Ho an’ireo Arabo mahay miteny Mehri mba hahitany an’i Jesoa amin’ny alalan’ny loharanon-karena kristiana an-tserasera na amin’ny fomba mahagaga.
(Apokalypsy 3:20).
• Mba tsy hanao tsinontsinona ity vondron’olona ity ny fitondram-
panjakana izay manana ny fahefany ka hiaina ary ho afaka hitandro ny maha-izy azy. (Apokalypsy 5:9).

Perikopa 2023

Aprily: NY HERIN'NY FITSANGANAN'NY TOMPO

| | 02. SAMPANDROFIA-Sampana DORKASY
Zef 3.14-20/ Lio 19.29-44/ Apok 7.9-12

| | 06. Alakamisy masina
Sal 41.4-13 / Lio 22.47-53 / 2 Pet 2.11-16

| | 07. Zoma masina
Dan 9.24-27/ Lio 23.39-49 / Rom 5.6-11

FJKM Fahazavana

FJKM ANDAVAMAMBA KRISTY VELONA

26 Martsa 2023