Alahadin’ny AFIFAB 2022.
Fandaharana iombonana
1-Feonjavamaneno
2-Fiarahabana Apostolika11
3-Fiantsoana sy fiderana an’Andriamanitra
Salamo 101.1-4
HF 13
Vavaka
4-Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fotoana Sekoly Alahady
Hira 208.1,2
Vavaka
Vakiteny : JEREMIA 21.1-10 / LIOKA 21.20-24 / 2 TES 1.3-12
HF 6.2
5-TORITENY
Vavaka setriny sy fifonana
Hira 482.1,5
6-Teny famelankeloka : Eze 33.14-16
HF 5.1,3
7-Fanekempinoana lah 1
Hira :Antoko mpihira
8-Filazandraharaha
9-Rakitra
Fanolorana :443.2
10-Asa vavolombelona
11-Vavaka fangatahana
12-Famaranana
Hira 489.3,4
Tsodrano
Vavaka mangina
Trinite masina .
Amena
…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………
HAFATRA
Migadona indray ity ankehitriny ny Andron’ny Fifandraisana FJKM, fotoana natokan’ny Fiangonana hitondrana am-bavaka sy hanohanana ny Asan’ny Fifandraisana eto anivon’ny FJKM izay hanehoantsika fiombonana sy firaisankina amin’ny alalan’ny fitondrana am-bavaka sy fanohanana amin’ny endrika hita maso. Na dia teo aza ny fotoan-tsarotra nolalovan’ny firenena tamin’iny taona lasa iny izay niantraika hatraty amin’ny fiainan’ny fiangonana, isaorana Andriamanitra fa afaka nanohy ny asa hatrany ireo sampandraharaha samihafa eto amin’ny AFIFAB : ny gazety Marturia Vavolombelona, ny famokarana fandaharana amin’ny haino aman-jery, ny Site web FJKM, ny televiziona online FTV, ny arofenitra ary ny Radio Fahazavana . Tsy nilaozan-javatra manahirana anefa izany, saingy isaorana Andriamanitra ary ankasitrahana isika kristiana rehetra tsy ankanavaka tamin’ny fanohanana teo amin’ ny lafiny rehetra, izay nahafahana nanatanteraka hatrany ny Asan’ny Fifandraisana.Taom-pahasoavana ho an’ny AFIFAB ity taona 2022 ity satria mankalaza an’Andriamanitra noho ny jobily volafotsy faha-25 taonan’ ny Radio Fahazavana ny Fiangonana izay efa nisokatra tamin’ny 30 janoary 2022 lasa teo, manamarika ny faha-10 taona niorenany koa ny Site web FJKM sy ny mpitantana azy. Hampiombona bebe kokoa antsika hatrany ao anatin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ireo fotoam-pifaliana ireo eo anivon’ny Asa Fifandraisana FJKM.
Fotoam-pifaliana mifanandrify indrindra amin’ny fanombohan’ny fe-potoam-piasana vaovao an’ ny FJKM taorian’ny Synoda Lehibe FJKM faha-XIX natao tany Sambava.Vinan’ny FJKM ao anatin’ity fe-potoam-piasana ity ny handehanan’ny Radio Fahazavana any amin’ireo Synodam-paritany efa nisy izanysy ny hijoroan’ny Radio Fahazavana any amin’ireo Synodamparitany mbola tsy misy izany.
Ao anatin’ny fanatanterahana izany ny famporisihina antsika ny hananganana ny rafitra AFIFAB na Fifandraisana eo anivon’ny Synodamparitany sy ny isam-pitandremana izay hanentanana antsika rehetra mba hampandeha tsara ny serasera sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny Fiangonana FJKM isan’ambaratongan-drafitra. Avondrona ao anatin’ izany: ny gazety, ny Site Web, ny teknolojia vaovao, ny haino aman-jery sy ny arofenitra.
Matoky izahay, ry havana fa hanao zava-dehibe ny fanohanana ny asan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny AFIFAB isika araka ny tenin’ny Tompo manao hoe : “Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra” (IKor.14:12b)
Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo rehetra . “Mitsangana, mihazavà fa tonga ny fahazavanao” (Isaia 60 : 1)
Ny Filohan’ny Komity AFIFAB FJKM Ny Talen’ny AFIFAB
RAFANONERANTSOA Valisoa, Mpit RAZAFIMALALA Tantely H