Mamaly ny faharatsiana …

Mamaly ny faharatsiana ny Tompo.

            Ao anatin’ny vanim-potoan’ny Karemy tanteraka isika izao. Vanim-potoana andinihan-tena. Raisina ho eo anoloantsika ny Soratra Masina ho toy ny fitaratra enti-manitsy ny tsy fahatanterahana rehetra moa fa tsy ny olona mikarakara tena eo anoloan’ny fitaratra. Noho izany, amin’ity andian-dahatsoratra ity no itarihana ny mpamaky hamaly fanontaniana fototra mifanaraka amin’ny perikopa mba hanefy ny tsirairay ho amin’ny fahatanterahana.

  • Isaia 55, 6- 11: Ny olona mitady sy miantso an’Andriamanitra dia olona miala amin’ny fanao sy fihevitra ratsy nizorany mba hiverenany ao amin’Izy Andriamanitra. Rehefa izany dia mametraka an’Andriamanitra hanao ny sitrapony fa tsy ny sitrapon’ny tena. Firy amin’izay miverina amin’Andriamanitra no manao ny sitrapon’Andriamanitra ka mandray fihavaozana ho amin’ny tsara?
  • Nomeria 23, 16- 24: I Balaka mpanjakan’ny Moabita dia raiki-tahotra noho ny fandreseny ny Amorita. Noho ny tahotra ny mety ho fandringanan’ny Zanak’Israely azy dia niantso an’i Balama mba hanozona ny Zanak’Israely ho ringana. Tsy nanatanteraka izany fangatahan’ny Mpanjaka izany anefa i Balama fa ny tenin’Andriamanitra no nampitainy. Moa ve ny Mpitondra ny tenin’Andriamanitra matahotra ny Mpitondra ka manova ny Sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka? Mahatanteraka ny Teniny Andriamanitra na iza hisakana sy hanova izany.
  • Matio 24, 32- 35: Ambaran’i Jesoa ny fandravana an’i Jerosalema sy ny ho fihaviany. Ravaina ilay Tempoly: tranon’Andriamanitra sady vavahadin’ny Lanitra fa ho tonga handray ny olony hiara-monina aminy mandrakizay ao amin’ny tena lanitra fonenan’ny mino Izy. Koa zava-dehibe ny ho fiombonan’izay rehetra mino izany. Koa inona no fiomanana iainanao ankehitriny fa ho tanteraka io fihaviany io?

Jaona 16, 19- 24: Ny Fihavian’i Jesoa Kristy amin’ny voninahitra dia ialohavam-piaretana dia ny ho fahateraham-baovaoa, ho an’ny mino mba handraisany ny fifaliana maharitra mandrakizay. Efa nateraka indray ve isika ka nahatsiaro fa maharary ny miala sy mandao tsy fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra? Moa ve efa iainantsika ny fifalian’ny fanarahana an’i Jesoa satria nateraka indray?

  • Asan’ny Apostoly 27, 21- 26: Ny fombafombam-pivavahana izay heverin’ny olona hialana amin’ny loza mihatra toy ny vavaka sy fifadian-kanina dia tsy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka, koa anjaran’ny tsirairay ny mihaino an’Andriamanitra manambara ny sitrapony ka manatanteraka izany satria tsy hisy hahasakana ny sitrapony. Koa nahoana no tsy matoky an’Andriamanitra isika na dia misy zava-manahirana tsy maintsy sedraina?
  • Titosy 1, 1- 4: Ny fanantenana ny Fiainana mandrakizay izay nambara sa nampanantenain’i Jesoa Kristy ny Fiangonana no mitondra azy handroso ho amin’ny tsara sy hahalala ny marina tokony hiainana. Izay ampanantenain’Andriamanitra dia tanterahiny na dia toa efa ela aza no nilazana izany nefa tsy mbola tanteraka. Io fanantenana io no mampitombo ny fahasoavana sy ny fiadanana raisin’ny Fiangonana izay mino izany. Koa nahoana no mora kivy sy toa diso fanantenana indraindray isika?

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV