SAMPATI/ Soritra asa 22

Hafatra sy Soritrasa

« Aoka hirehitra ny jironareo, Miorena tsara amin’ny finoana » Lio.12,35 ; IPet.5,9


Ry havana,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i
Jesoa Kristy Tompontsika amen!
Miarahaba antsika rehetra ry havana ny amin’ny nahatratrarantsika ny Krismasy 2021 sy ny
taombaovao 2022, ny Tompo anie hitahiry antsika eo ambany fahasoavany mandrakariva eo
ampamakivakina izao taona vaovao izao. Miara-misaotra an’Andriamanitra ihany koa isika ry Havana fa tanteraka ny Komity Foibe izay natao teto amin’ny Tabita Ampandrana ny 13-14 Janoary 2022, izay notarihan’ny Birao Foibe
SAMPATI sy ny Tonia. Isaorana manokana isika rehetra izay tonga nahatanteraka sy nahatontosa
izany fivoriana lehibe izany.


HAFATRA HO AMIN’ITY TAOM-PIASANA ITY

 Mombany SAMPATI miatrika ny COVID-19 dia ny fanapahan-kevitry ny Foibe FJKM no
iombonantsika rehetra izay milaza fa: mivavaka isika, manaja ny fepetra ara-pahasalamana ary
mifanampy araka izay azo atao; raisina ihany koa ny fepetra avy amin’ny MTEM sy ny fepetra
ara-panjakana any amin’ny Synodamparitany tsirairay.


 Hankalaza ny faha-30 taona ny SAMPATI isika ny taona 2023 izay ho tanterahana eto
Antananarivo ao amin’ny SP AA 10 ka hisy dinika mialoha ho fanomanana izany (FITRAOFAM-
BE: Fihaonan’ireo mpikambana olon-dehibe SAMPATI rehetra: Mpanabe, Mpitantana,
Mpanohana, ireo Filoha zanaky ny Fiangonana) izay atao any amin’ny SP Boina Vaovao
(Mahajanga) mbola homena amin’ny manaraka ny dinidinika momba izany, ny daty aorian’ny
BACC.


 Noho ny amin’ny fahalebiazan’ny tonia mpanampy Mpanazava foibe dia nangataka hijanona izy
ary nanolotra an’ i Fanjava Miatrika izy ireo (Mpanazava eto Madagasikara); izay nankatoavin’ny
Komity Foibe.

 Hanao ezaka goavana isika amin’ny fampandrosoana ny SAMPATI eto Madagasikara na isika eto
an-toerana sy ny any ivelany ka ao anatin’izany ny fananganana SAMPATI amin’ ireo fiangonana
tsy mbola misy SAMPATI; Fitadiavana fomba hahazoana loharanom-bola maharitra; ary ny
fanatsarana ny fomba fanatanterahana adidy isaky ny Synodamparitany, mba samy hahavita ny
adidy, ary ny fandrotsahana rakitra isam-piangonana aty amin’ny Foibe SAMPATI (Isaorana
manokana ireo nahavita nandrotsaka ny azy, entanina kosa ireo tsy mbola nahavita) sy
andraikitra miandry azy ny tsirairay.


 Havaozina ihany koa ny fiaran’ny SAMPATI ary efa nitsangana ny komity ka hiara-mientana isika
izay hahazoana izany. Ireo Komity :- RASIDY – RAHAINGOSOA Louise Odette – RANDRIAMIFIDY
Clermont Eric – ANDRIANAVALONA Stephane – ANDRIAMANIRISOA Remy – MEM sy TEM foibe (filoha
zanaky ny FJKM) – HATRAMIN’NY VOLANA MARTSA 2022


 Ho hatsaraina hatrany ny rijateny voalazan’ny Fitsipika efa tapaka tany Fenoarivo Atsinanana
momba ny SAMPATI SP.37 amin’ny Zaikabe manaraka mba hifanaraka amin’ny maha Sampana
ao amin’ny FJKM azy, ny SAMPATI any ivelany rehetra, ary misy ny hafatra manokana alefa
amin’izy ireo araka izany. Izay isaorana manokana ny fahatongavan’ny Filohan’ny Synodam-
paritany SAMPATI SP.37 namonjy izao Komity Foibe izao.

FEHINY

Ny SAMPATI FJKM dia anisan’ny sampana mahabe fanantenana ho amin’ny fampandrosoana ny fiangonana, indrindra amin’ny maha fiangonana vavolombelon’i Kristy azy, eto amin’izao tontolo izao. Mazava ny fanabeazana raisina ao amin’ny SAMPATI dia ny hananan’ny olona ny toe-panahy sy toe-tsaina Kristiana izay tovozina ao amin’ny Soratra Masina irery, ary ny toe-panahy sy ny toe-tsaina Skoto kosa izay tovozina ao amin’ireo fomba fanabeazana skotisma (skotisma fototra).

Ny Sampana Mpanazava sy Tily dia sampan’ny fanantenana , satria manabe ny olona ho amin’ny fitomboana sy mamolavola ny ho avy. Koa dia antenain’ny Fiangonana ho amin’ny fampandrosoana sy fanitarana ny asa fitoriana ny Filazantsara ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo izy amin’izany. Kendrena ny fiantefan’ny FILAZANTSARA amin’ny maha olona manontolo : « VATANA – SAINA – FANAHY ».

Miditra ao amin’ny fiaraha-monina izy ka tonga olom-banona sy vonona ny handray andraikitra. Manao ho zava-dehibe ny adidy amin’Andriamanitra, ny adidy amin’ny hafa ary ny adidy amin’ny tena. Ny fifehezan-tena, fananana toe-tsaina mamorona hampivelatra ny saina amam-panahy, ho fampandrosoana ny tena, ny hafa, ny fiaraha-monina indrindra ny Fiangonana izay sehatra voalohany itomboany na ivelarany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ny Toetra feno fankatoavana sy fanajana dia ao amin’ny SAMPATI, izany no mahatonga azy hanaja ny rafitra sy ny fandaminana ao amin’ny Fiangonana ; ho amin’ny tanjona iombonana sy fitoriana ny Filazantsara; VONTOSY FILAZANTSARA i

MADAGASIKARA, FILAZANTSARA MANOVA TANTARA.

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV