Alahady 23 Janoary 2022

Malakia 3. 1 – 6

Andriamanitra maniraka mpanompo

1- Manadio ny olona

« Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy … » (and. 3)

Niandrandra fatratra ny fahatongavan’ny Mesia ny olona tamin’izany fotoana izany kanefa ny mpisorona tsy nanompo an’Andriamanitra, tsy araka ny voasoratry ny lalàna ny fanatitra nataon’izy ireo tamin’izany. Manoloana izany faharatsian’ny olona izany, dia mitsangana handio ny olona Adriamanitra , hanafaka azy amin’ny tsi-fahamarinana. Rehefa madio ny olona dia tonga mpanatitra fanatitra mendrika sy amin’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra. Ary fanaovana fanatitra tsara indrindra, ny fanoloran-tena ho an’Andriamnitra, amin’ny alalan’i Jesoa Krsity. Koa atolory Azy amin’ny fahadiovana ny tenanao.

2- Miara-monina amin’ny olona

« Ary nipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy… » (and. 3)

Ampiasaina ny teny « hipetraka » eto entina ilazana fa ny irak’Andriamanitra, izay misolo tena Azy, hanadio ny olona dia tsy mandalo vetivety dia lasa akory fa tena miara-monina amin’ny olona. Mba hahafahana mitondra fahadiovana eo amin’ny olona dia tsy maintsy miara-monina amin’ny olona. Ary izany no nataon’Andriamanitra, niara-nonina tamin’ny olona tamin’ny alalan’i Jesoa Krsity, tonga nofo, niara-nonina tamintsika. Ary na dia efa niakatra ho any an-danitra aza Izy dia mbola nanome toky ny mpino hatrany fa momba antsika isan’andro. Miara-monina amintsika i Jesoa Kristy mba hahafahany manadio antsika .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny fanadioavan’i Jesoa Kristy ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV