Zoma 21 Janoary 2022
ROMANA 11.25-32
Andriamanitra mitana ny teniny
1-Tsy miova amin’ny fiantsoany

« Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany » (and29)
Nomen’Andriamanitra ny Israely avokoa ireo fanomezam-pahasoavana samihafa , toy ny lalàna , ny fanekena ,ny fombam-pivavahana , ny fananganana anaka ary ny razana nipoiran’i Kristy araka ny nofo .Ka na dia misy mandiso fanantenana an’Andriamanitra aza ny sasany tamin’ireo, tsy manenina tamin’ny fiantsoany ny Israely Andriamanitra , satria mbola misy amin’izy ireny mbola mibebaka ihany. Ny teny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny olom-boafidiny dia tanterahiny avokoa mba hahatanteraka ny fikasany ho famonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .
2-Mandray ny olona rehetra

« Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsi-fanekena mba hamindrany fo amin’izy rehetra » (and32)
Ny Jiosy no nanaovan’Andriamanitra ny fanekena tany am-piandohana ary ho azy ireo ihany koa ny famonjena , kanefa noho ny tsy faneken’ny Jiosy an’Andriamanitra no nahatonga famindrampo ho an’ny Jentilisa . Noho ny tsy finoan’ny Jiosy no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa. Izany hoe : ny olona rehetra , ary izany no nahatonga an’Andriamanitra nanome an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy izao tontolo izao .Tsy misy fanavahana ara-pirazanana intsony ny famonjena fa miankina amin’ny finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy no mahatonga azy ho voavonjy na tsia .
Fanontaniana :
Inona no sakana tsy handraisan’ny olona ny famonjena ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM