Alarobia 19 Janoary 2022

JAONA 8.52-59

Jesoa Kristy ao amin’Andriamanitra

1-Tsy azon’ny olona ny tiany ambara

« Fa hoy ny Jiosy taminy : fantatray ankehitriny fa manana demonia ianao » (and52).Raha nilaza ny fifandraisana misy eo aminy sy Andriamanitra i Jesoa Kristy , indrindra tamin’ny filazany fa avy amin’Andriamanitra Izy dia nolazain’ny jiosy fa manana demonia . Nanamafy ny fanazavany i Jesoa Kristy ka nilaza fa mankalaza Azy ny Ray ary faly amin’ny ataony .Nampitombo ny fahatezeran’ny Jiosy izany ka nahatonga azy ireo nitora-bato Azy .Rehefa tsy mety azon’ny olona ny maha- ao amin’ny Ray an’i Jesoa Kristy sy ny teny izay lazainy , dia ho tezitra sy ho hankahala ary hamono an’i Jesoa Kristy mihitsy izany olona izany . Fantaro amin’ny alalan’ny teniny ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray .

2- Manambara fiainana mandrakizay

« Raha misy olona mitandrina ny teniko , dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay  » (and52)

Fanambarana nataon’i Jesoa Kristy izany entiny maneho amin’ny olona ny dingana telo momba ny fahafaresana ara-panahy dia ny fahatapahan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra , ny fahafatesana ara-batana dia ny fisarahana amin’izao planeta misy antsika izao , ary ny fahafatesana mandrakizay dia ny fahafatesana faharoa.Tsy izany anefa no tanjon’Andriamanitra amin’ny olombelona fa fiombonana mandrakizay amin’Andriamanitra . Rehefa tsy miala amin’ny finoana ny tenin’i Jesoa Kristy ny olona dia tsy tafasaraka amin’Andriamanitra mandrakizay , na dia mandalo fahafatesana amin’ny nofo aza , satria efa mpandova ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :

Hatraiza ny finoanao ny tenin’i Jesoa Kristy fiainana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV