Sabotsy 15 Janoary 2022
Levitikosy 14. 1 – 9
Ny fanadiovan’Andriamanitra ny maloto
1- Amin’ny alalan’ny mpisorona
Ny olona boka dia nataon’ny lalàna ho « tsy madio« . Ny olona tratran’izany aretina izany dia atokana toerana hisaraka amin’ny olona salama (Lev 13.14). Tsy maintsy mitoka-monina izy ireo, ary raha sendra mivoaka ny tànanany, dia tsy maintsy niala satroka sy nitafy lamba triatra mba hahalan’ny olona azy. Ary raha nifanena tamin’olona dia niantso hoe : « Maloto e! Maloto e!« . Mahatsiaro ho tafasaraka amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona ny olona iray tratry ny habokana. Ny hamerina amin’ny laoniny izany fisarahana izany no kendren’Andriamanitra. Manana andraikitra amin’ny fitsaboana ny marary hoditra ny dokotera amin’ny maha mpitsabo azy. Rehefa sitrana amin’ny aretina ny marary, dia mbola misy koa ny andraikitry ny mpisorona. Raharahan’ny mpisorona ny miadidy ny fitandremana ny didy rehetra ny amin’ny boka, sady izy ireo ihany no hatonin’ny boka rehefa sitrana mba hanaitra izay fanatitra voatendrin’ny lalàna.
2- Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Tsy ny marary hoditra ihany akory no maloto. Tsarovy fa ny fahotana no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, sady manimba ny fifandraisantsika amin’ny olombelona toa antsika. Ary izany fahotantsika izany dia fahalotoana eo anatrehan’Andriamanitra mihoatra noho ny aretina hita maso. Izay rehetra tsy mibebaka dia « madio ivelany ». Ny fanantonantsika an’i Jesoa Kristy no manafaka sy manadio antsika amin’ny fahalotoana vokatry ny fahotana rehetra. Izy no Mpisoronabe, izay nanao fanatitra ny tenany indray mandeha monja ka manadio sy manamarina antsika eo anatrehan’Andriamanitra.
Fanontaniana :
Efa nanatona an’i Jesoa ve ianao mba hodioviny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM