Zoma 14 Janoary 2022

SALAMO 40.1-4

Mamonjy amin’ny fahoriana ny Tompo

Ity Salamo ity dia ahitana taratra fa voahodidina loza ny mpanoratra ka nitady famonjena tamin’ny Tompo . Tantarainy eto izay nataony sy ny nataon’Andriamanitra hamonjena azy .

1-Niandry dia niandry an’i Jehovah aho

« Niandry dia niandry an’i Jehovah aho... » (and2a) .Ny hoe : « niandry » dia tsy midika ho nipetra-potiny fa voafaritra ao anatin’izany ny fitarainana fatratra amin’Andriamanitra ,ny fanantenana ny famonjen’Andriamanitra .Tsy maintsy nisy fanantenana ny famonjen’Andriamanitra .Tsy maintsy nisy ny fiaretana sy faharetana tao anatin’izany , sady efa tsy nahita làlan-kaleha intsony ny mpanao Salamo fa nahatsiaro ho toy ny latsaka tao anaty lavaka fandringanana sy fotaka mandrevo .Izany hoe : tsy nanan-kery hamonjeny ny tenany intsony izy fa tsy maintsy mila famonjena . Amin’ny fotoana toy izany indrindra no isehoan’ny tena fahatokiana an’ Andriamanitra ka hiandrandrana famonjena avy Aminy .

2-Miditra an-tsehatra mamaha olana Izy

Toarian’ny fitarainany dia mijoro ho vavolombelon’ny famonjen’Andriamanitra ny mpanao Salamo ka mitantara izay nataon’ny Tompo taminy : na dia avo aza Izy dia niondrika ka nijery azy sady nihaino ny fitarainany. »Ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako » (and2b) , nisintona azy avy tao an-davaka lalina Izy , nampakatra azy avy tamin’ny fotaka mandrevo Izy ka nampijoro azy teo ambony vatolampy .Nasiany hira fiderana teo am-bavany. Raha mametraka ny fiainantsika eo am-pelatànan’ny Tompo isika ka manaiky ho tonga zanany amin’ny alalan’ny fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ,dia Izy no mamonjy sy manafaka antsika ary mandrindra ny làlana rehetra alehantsika ;

Fanontaniana :

Nahoana no avelan’Andriamanitra hiseho ny loza samihafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV