Talata 11 Janoary 2022
Marka 12. 28 – 34
Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra
Maro amin’ny olona, na dia ny milaza azy ho Kristiana aza, no tahaka an’ity mpanora-dalàna ity. » Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao », hoy i Jesoa.
1- Tsy lavitra saingy tsy ao anatiny fa any ivelany
Rehefa novalian’i Jesoa ny fanontanian’ireo Sadoseo dia nisy mpanora-dalàna iray indray nanantona Azy, nanontany hoe: Inona no voalohany amin’ny didy rehetra? Namaly izany tamin’ny fomba mazava Jesoa ka nampiaiky azy ny valin-tenin’i Jesoa. Ny mampalahelo dia olona mba nahalala ny Soratra Masina ihany, olona tia vavaka, olona efa niresaka tamin’i Jesoa, sady manaiky ny fampianaran’i Jesoa no tombanany hoe: « Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao ». Aiza ho aiza àry ny toerana misy antsika? Mbola lavitra sa akaiky? Anatiny sa ivelany?
2- Mahalala, saingy tsy mankato
Resy lahatra ity mpanora-dalàna ity fa marina sy mahitsy ny valin-tenin’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no lehibe indrindra. Jiosy tia vavaka ity mpanora-dalàna ity no sady mahira-tsaina, ka nahatakatra izay nambaran’i Jesoa . Tsy ampy hahatafiditra ny olona any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny fahalalana ara-tsaina fotsiny ny lalàn’Andriamanitra. Ary tsy natao hisehosehoana ivelany fotsiny ny fanaovana izany fa ho vokatry ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. « Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo, fa aza mpihaino ihany ka mamitaka ny tenanareo ». (Jak.1.22).
Fanontaniana:
Mahalala ny sitrapon’Andriamanitra kanefa tsy mankato . Inona no antony?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM