Alakamisy 09 Desambra 2021
SALAMO 68.1-4
Ny fifalian’ny olona miaraka amin’Andriamanitra
Rehefa monina eo amin’ny olony Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra . Mifaly ny olona .
1-Miara-dia amin’ny olony Andriamanitra
« Aoka hitsangana Andriamanitra » . Izany no antso ataon’ny mpanompon’Andriamanitra .Toy ny olona mandeha làlan-tsarotra ka mangataka ny fanatrehan’Andriamanitra . Mangataka ny fitondran’Andriamanitra mba tsy ho irery manoloana ny toe-javatra tsy maintsy handehanana.Ny olona mino fa manatrika ny fiainany Andriamanitra , tsy mamela azy hiady irery dia mahay mifaly, mahatsapa ny fombàn’Andriamanitra , ka na dia maro aza ny zava-manahirana dia resy ny adi-tsaina , miova ho fifaliana ny fahoriana .Misy tokoa ny fifaliana ho antsika ao amin’Andriamanitra .Minoa fa miara-dia aminao Izy , manatanteraka ny teniny , dia ho tsapanao izany.
2-Mandositra ny fahavalo
Rehefa miseho sy miasa eo amin’ny fiainan’ny vahoakany Andriamanitra dia resy tosika ny fahavalo rehetra .Tsaroana eto ny zava-mitranga tamin’ny fotoana niaingan’ny Zanak’Israely niala tany an’efitr’i Sinay nitondra ny fiaran’ny fanekena (Nom 10) .Tsy manan-kery eo anoloan’ Andriamanitra ny fahavalo rehetra , mandositra , miely toy ny setroka , miempo toy ny savoka . Misitraka fiainam-pahasoavana kosa ny vahoakan’Andriamanitra , voavonjy tamin’ny tànan’ny fahavalo ka mifaly , midera mankalaza an’Andriamanitra .
Fanontaniana :
Mitondra inona ho anao ny teny fampanantenana nataon’iJesoa hoe : « indro Izaho momba anareo mandrakariva« ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM