Hafatry ny Filoha/ Nov 2021
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Fa ho an’i Gasikara
Ny famonjena izay nomena
Nahatongavan’ny Mpamonjy
Tam’izao tontolo izao.
Ny Noely, sanatria,
tsy fety fotsiny, d’izay
fa tena fiaina-mahagaga
izay aterin’Andriamanitra
ho an’ny firenen-drehetra,
ary tsy hadino akory
isika Malagasy ireto.
Tena marina amintsika
Ny anteman’ny anjely:
“fiadanana e! Fiadanana
Ho ety an-tany izao
Ho amintsika olombelona
Nohasoavin’ny Mpahary!”
Saingy toy ny henoko eto
Ny sentonao mipololotra:
“Aiza akory izay fiadanana?
He, jerei ny fahoriana,
Izato fahantrana lalina
Mandifotra ny Malagasy!”
Eny, raha ny hita maso,
toa firariana, nofinofy,
ihany izany hoe fiadanana;
saingy izao no tadidio:
efa tonga i Jesoa tia,
nefa raha tsy raisina Izy,
tsisy fiadanana eo!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI