FJKM/ONIFRA
Oniversity FJKM Ravelojaona( ONIFRA)
Namoaka ny andiany « HAFATRA”
Mpianatra taona faha telo ao amin’ny ONIFRA miisa 305 misalotra ny anarana “HAFATRA” no
navoaka tetsy amin’ny CCI IVATO ny Zoma faha 26 novembre teo.Ireto mpianatra notolorana
maripahaizana ireto dia avy amin’ny lalam piofanana 13 misy eo anivon’ny ONIFRA.
Antananarivo,Arivonimamo, ary Ambatolampy no Oniversity niavian,izy ireo.
Amin’ny maha Oniversitim- piangonana ny ONIFRA dia fanompoam pivavahana no nentina
nanombohana ny fotoan ny zoma faha 26 novembre teo; ka ny filoha mpanampy foibe FJKM ,Atoa
ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy ,Mpitandrina no nitarika ny fotoana rah any Dr IRAKO
ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina filohan’ny FJKM no nitondra ny hafatrin’ny
tenin’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny Deo 28: 13” Dia hataon’I Jehovah holohany hianao, fa
tsy ho rambony”, sady io raha teo no teny filamatry ny ONIFRA.
Fanamby lehibe sady anisan’ny mampiavaka ny ONIFRA ny fanabezana ireo tanora ho vanona sy
vavolombelon’i Jesoa kristy amin’ny sehatra rehetra misy azy ; araka ny nambaran’ny Rektoran’ny
ONIFRA , Rtoa RATSIMANDISA Zo Mpitandrina.
Marihina fa efa misokatra ho amin’ny taom-pianarana vaovao ny ONIFRA
Isarah R.