Alakamisy 02 Desambra 2021

Jaona 15. 9 – 16

Ny loharanon’ny Fifaliana

1- Ny fankatoavana ny didin’i Jesoa

Miankina amin’ny fankatoavan’ny mpianatra ny didin’i jesoa no mahatanteraka ny fifaliana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tokony hifankatia ny mpianatr’i Jesoa . Ilay tena tia no miresaka amin’ny sakaizany .Izay mahatsapa ny fitiavany dia tokony hanao zava-dehibe ny fampianarana natolotra azy ireo. Fifankatiavana manova tanteraka ny fifandraisana rehetra. Rehefa miaina amin’ny fifankatiavana ny olona dia rava ny disadisa, milamina ny fiaraha-monina, noho izany dia afaka miaina amin’ny fifaliana ny olona. Ny fifaliana dia raisina noho ny firindran’ny fiainana. Ny fankatoavana an’i Jesoa ihany no vahaolana.

2- Ny fanekena hiaina amin’ny fiainana vaovao

Manana ny fifaliana Azy manokana ny tiany homena ny mpianatra i Jesoa : « mba ho aminareo ny fifaliako ». Ilay fifaliana afaka nisedra zava-tsarotra samihafa, na dia tao anatin’ny fahoriana aza . Izany indrindra no mahatonga Azy milaza fa ny tena fitiavana dia « ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany ». Io fifaliana azo iainana amin’ny fotoana sy toe-javatra rehetra io no tiany mba ho azon’ny mpianany ny amin’ny fiainana vaovao. Rehefa maina sy mankato ny fampianaran’i Jesoa ny mpanara-dia Azy dia miaina izany fiainana vaovao izany ; fifaliana ho an’ny olona mahasapa fa notiavin’Andriamanitra ka afaka miaina amin’ny fiainam-pamonjena.

Fanontaniana :

Inona no tokony atao mba hananana ny tena fifaliana ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV