Tantara /DORKASY Ato/kanga

FJKM AMBATONAKANGA

1. FOTO-KEVITRA IJOROANY

Ny anarana hoe: “DORKASY” dia nalaina avy amin’ny tantaran’ilay vehivavy mpanao asa soa sy fiantrana voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9: 36 – 43 atao hoe Tabita. Dorkasy, na Tabita, dia vehivavy kristiana tao an-tànanan’i Jopa (faritra Atsimo any Tel-Aviv any Israely) izay natsangan’ny apostoly Petera tamin’ny maty. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina dia be ny asa soa sy fihantrana nataon’izany vehivavy izany. Ny Dorkasy dia Sampana iray anivon’ny Fiangonana FJKM, izay ivondronan’vehivavy rehetra mihoatra ny 15 taona, na Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izy na tsia.


2. NY NIORENAN’NY SAMPANA DORKASY AMBATONAKANGA

Tamin’ny volana Martsa 1901 no nanorenan-dRtoa Margaret EVANS vadin’i William EVANS mpitandrina misionera LMS farany teto Ambatonakanga (1899 -1948) ny Sampana Dorkasy Ambatonakanga.

Nanampy azy tamin’izany Rtoa RASOANJANAHARY vadin’Ingahy RAINIMANKAOLA mpitandrina malagasy fahefatra (1896 -1916), sy ny vadin’Ingahy ANDRIAMANANIZAO mpitandrina malagasy fahadimy (1899 -1904) teto Ambatonakanga


3. NY ASANY SY NY SEHATRASA NIMASOANY TENY AMPIANDOHANA


Tao an-tokantranon-dRtoa EVANS teny Faravohitra, nifanila tamin’ny toerana nisy ny Foibe LMS, no niandohan’ny fivorian’ny Sampana Dorkasy Ambatonakanga. ASA sy VAVAKA no fototra nijoroany.


Nahay ASA TANANA maro ny vehivavy Dorkasy, ka nalaza tokoa tamin’ny fahaiza-manjaitra sy fanaovana akanjo bà; ary izany dia niaraka mandrakariva tamin’ny fitiavam-bavaka. Isaky ny TALATA tolakandro ny fotoam-pivorian’ny Dorkasy. hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny.


Mandray anjara amin’ny ASA FANASOAVANA maro ny Vehivavy Dorkasy Ambatonakanga. Koa taloha dia samy manokana fotsimbary kely avy isaky ny mahandro vary ny tsirairay. Izany no natao hoe “Solom-bary”, izay nanampy tokantrano maro rehefa mitambatambatra. Nosoloina vola izany ankehitriny, mba hahamora ny fanaovan-javatra.

4. ZAVA-KENDRENA

Araka ny voalaza ao amin’ny Fitsipika Fototra ny andininy faha-5 dia vina fototry ny Sampana DORKASY ny hitory sy hanambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy; ny hikolo sy hitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe, amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy manokana amin’ny lafinyrehetra (saina,vatana, fanahy).

Ankoatra ny Asa fitoriana, ny tarigetran’ny Sampana Dorkasy FJKM dia ny: 
– asa soa sy fiantrana,
– fifanampiana ary famangiana


Asa fijoroana vavolombelona maro no miandry ny Dorkasy Ambatonakanga ka iarahany miasa amin’ny Fikambanana  samihafa:
– Dorkasy FOIBE FJKM
– Dorkasy Synodam-paritany Iarivo Avaradrano
– Dorkasy Antananarivo Renivohitra
– Filankevitra Ekiomenikan’ny ny Vehivavy Kristiana
– Vehivavy Kristiana Mpiara-Mivavaka
– Farimbonasan’ny Vehivavy Protestanta eto Madagasikara 
– Vondronasa Fitoriana ny Filazantsara (AFF FJKM…)


5. SLDOR

Tsy sampana vaovao akory ny SLDOR fa sehatra iray fiaraha-miasan’ny Sampana Lehilahy Kristiana sy ny Sampana Dorkasy amin’ny fanatanterahana soritrasa na hetsika manokana izay ilàna izany. Ny tambatry ny anaran’ny sampana roa voakasik’izany no nahazoana io fiantsoana io.

Ny asa iombonana eo amin’ny Synodam-paritany no tena ahitana ny SLDOR.
Manana FIVORIAMBE indray mandeha isan-taona ny SLDOR SPIA.

Ankoatra ny tatitra samihafa sy dinikasa dia ahitana SEHO an-tsehatra ny fotoana.

Ny teto Ambatonakanga dia ny Alahady 10 Martsa 2019 no nisian’ny fiaraha-mientana lehibe momba ny SLDOR ary ny faha 120 taonan’ny Dorkasy (2021) no anambarana izany amin’ny fomba   ofisialy eo anivon’ny fitandremana FJKM Tranovato Ambatonakanga.  

My beautiful picture


6. RAFITRY NY BIRAO MPITANTANA

Ny fitsipika fototra dia milaza fa toy izao no mandrafitra ny Birao mpitantana ny Sampana Dorkasy anivon’ny fitandremana :
. Filoha (1)
. Filoha Mpanampy (1)
. Mpitantsoratry ny fivoriana (1)
. Mpitahiry vola (1)
. Mpitantsoratry ny vola (1)
. Mpanolotsaina(olona 2)

Manana Reny mpanohana azy ny Dorkasy Ambatonakanga izay isaorany an’Andriamanitra lehibe tokoa noho ny fitiavana asehon’izany mpanompony izany:
Rtoa RAMANANTSOA Jacquie

Ireo birao amperinasa:
Filoha                               : RAKOTO Léa Blandine
Filoha mpanampy          : RAVELOARIJAONA Fanja Hanta
Mpitantsoratra               : RASOANAIVOARIVELONA Volatiana
Mpitahiry vola                : RAZANARISOA Hanitriniaina
Mpitantsoratry ny vola : RATOVO Iholy Voahirana
Mpanolotsaina 1            : RASOANAIVO Lala Jeanne Sahondra
Mpanolotsaina 2            :  RANDRIAMIZAKA Hantanarivo Voahirana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV