Fametrahana tomponandraikitra

Fanompoampivavahana sy fanolorana ireo olom-boafidy

Notanterahina ny Alahady 17 Oktobra 2021 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Fanompoam-pivavahana  fanolorana sy ho fitondrana amam-bavaka ireo  tomponandraikitra vaovao  voafidy  ho amin’ny Taom-piasana 2021-2025 ;

Nitarika ny fotoana : ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy BMF

Nitoriteny :  Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi   Mpitandrina , Filohan’ny FJKM .

Fintin’ny Toriteny : (MATIO 22 :1-14)

1-Manasa ny olona rehetra hiditra amin’ny  fanjakany Andriamanitra

2-Mety hisy anefa amin’ireo tafiditra no horoahana , satria

3-Misy ny fepetran’Andriamanitra : ny antson’Andriamanitra dia malalaka fa tsy gaboraraka

ASA VAVOLOMBELONA :

Fametrahana tomponandraikitra :

Notarihan’ny Mpitandrina RABEVITA Saina , Filohan ‘ny Synoda XIX , izay natao tany Sambava ny fanolorana sy  fandraisan-tànana ireo olom-boafidy . Mialohan’izany no namakiana ny anarany sy ny andraikiny avy :

-Dr IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina  , Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM

-Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Filoha Mpanampy Mpitandrina ,BMF

– Andriamatoa RAZARASOA Timoty , Filoha Manampy Laika ,BMF

-Ramatoa RANDRIANJA Voahangy , Mpitahiry vola  ,BMF

-Andriamatoa RAKOTOBE  RAJAOMANJATO Dodaherisoa ,Mpitandrina ,Mpanolon-tsaina ,BMF

-Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri , Mpanolo-tsaina Laika  ,BMF

Natolotra  ireo  BMF tamin’io fotoana io koa ny Rakitsoratry ny SYNODA LEHIBE XIX , fitaovana enti-miasa mandritra ny taom-piasana  vaovao indray .Taorian’izay dia novakiana ny anaran’ireo olomboafidy ho Mpiandraikitra Foibe miisa100 mianadahy , ka ny 50 Mpitandrina ary ny 50 Laika  sy Mpampianatra .

Ny Filohan’ny FJKM kosa taorian’izay no nanolotra ireo Mpanatanteraka  vao voafidy tao anatin’ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe .Tsy iza izany fa ny :

Sekretera Jeneralin’ny Foibe FJKM : ny Mpitandrina RAKOTONDRAINY Jaona

Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : ny Mpitandrina  ROBSON  RADOLALAINA Johary

Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly  FOIBE FJKM : Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina

-Tonian ’ny Departemantan’ny Mpiasa sy Vola FOIBE FJKM : Ramatoa ANDRY NIRINA Velosoa

Natolotra tamin’izany fotoana izany koa ny Mpikambana FiFaMpi, FiFa Fi, ny mpandinibola FOIBE FJKM . Notolorana fisaorana sy fankasitrahana feno ireo Birao SL XIX, ny vaomieran’ny fifidianana, ireo BMF teo aloha , ny MF teo aloha ,ny SJ teo aloha . Notsipihan’ny Filoha tsara fa ny  olona mifandimby toerana dia tsy mpifahavalo fa mpiara-mitantana anatin’ny ’ny toe-panahy feno firahalahiana . Nitodika tamin’ireo Ray amandreny ara-panjakana vory lanina tamin’io  fotoana io  koa ny Filoha ka naneho ny fifalian’ny fiangonana noho ny fanotronan’izy ireo  izao fotoan-dehibe izao .Vahoaka iray ihany no hiarahana hampandrosoana , kanefa na izany aza aoka tsy hatao  fitaovana politika ny fiangonana FJKM.

VINAN’NY FILOHAN’ny FJKM

Tarigetra : Mbola ho firenena kristiana ihany ny firenena Malagasy amin’ny taona 2118 .

Teny faneva : « Miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15.58b

Vina : « Vontosy Filazantsara i Madagasikara ,Filazantsara manova ny tantara »

« Communes »  407 no nokasaina  hanorenana Vondron’olona mpiara-mivavaka (VOM) , fa araka ny tatitra voaray dia 467 no isan’ny voatsangana nandritra iny taom-piasana lasa iny  , miampy fokontany 39.Manampy ireo ny VOM tany Moroni Comores, Seychelles, Canada …

Hery manova ny tantara ny Filazantsara .Hamafisina orina ny fitoriana ny Filazantsara ,ho tarazon’ny FJKM manomboka izao ny  fisian’ny atao hoe : « Herinandron’ny fianakaviana » . Atsangana ny « vaomieran’ny fananana », ny sampandraharahan’ny « fampamokarana » . Sekoly 111 vaovao no ezahana  aorina mandritra ny efatra taona , ka ny FPMP tsirairay dia hanorina trano sekoly 1/Taona . Aparitaka ny Boky « Soratra masina iainana » manerana ny Sekoly FJKM »  . Hovitaina ny trano roa  nohavaozina any Imerimandroso Ambatondrazaka . FJKM mafy orina amin’ny fitantanana . Hatsaraina ny « Asa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao » (AFIFAB). Atsangana ny TV Fahazavana , ny Hopitaly FJKM,MFEE any amin’ny SP miisa 37 mahakasika ny fambolena hazo fihinamboa .Ampidirina amin’ny taranja ampianarina any amin’ny seham-pitaizana FJKM ny fandalana ny fahamarinana handresena ny tsy fahamarinana , ny fitiava-tanindrazana,  ny fikajiana ny tontolo iainana  .

Nanentana ny Fiangonana hatrany ny Filohan’ny  FJKM fa rehefa mivavaka ny fiangonana  dia asehon’Andriamanitra ny Voninahiny .

Ho an’Andriamanitra iery ny Voninahitra

Nangonin-dRtoa SAHONDRAMALALA Vololona

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV