Sabotsy 16 Oktobra 2021

Lioka 14. 7-11

Fanintelony amin’izao no manaiky hiantrano any amin’ny Fariseo i Jesoa. Avy nanasitrana lehilahy manirano iray Izy no izao mampianatra izao noho ny fahitany fa samy mifidy ny toerana aloha ny olona (and. 7). Fanoharana no ataon’i Jesoa eto entiny mampita fa :

1- Ho afa-baraka izay mihevi-tena ho zavatra

Araka ny efa voambara teo dia hitan’i Jesoa ny fihetsiky ny olona tao amin’ny fanasana, ny antony dia satria samy mihevitra fa mendrika ny manan-kaja noho ny hafa ka rariny raha mahazo toerana miavaka , etsy ankilany ihany koa , te- hisongadina ary miavonavona am-po. Toetran’ny Fariseo indrindra izany, tia miavaka sy manambony tena ka sady mpila sitraka sy dera no matim-boninahitra , tsy ao amin’ny fanasana ihany fa hatrany amin’ny Synagoga koa ary Fariseo no tena iantefan’ny izao fampianarana ataon’i Jesoa izao. Hoy indrindra i Jesoa : » Mitandrema ary ianao tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo » ( Lioka 12. 1)

2- Homem-boninahitra izay manaja tena

Taomin’i Jesoa kosa ny olona eto hahalala fa ny haja dia tsy takiana, na katsahina fa omena izay mendrika sy antonona izany. Ny kristiana dia tsy mikatsaka voninahitra ka tsy miady fo amin’izao tontolo izao ny amin’izany fa omen’Andriamanitra amin’ny fotoana mahamety ny haja mendrika sy sahaza azy. Tsarovy fa ny fanetren-tenan’i Jesoa « na dia nanana endrik’Andriamanitra aza Izy » dia nanaiky hietry farany ambany ( Fil 2. 6) . Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy. Toetra tokony hianarantsika Aminy izany fanetrentena izany.

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hananana fanetren-tena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV