Zoma 15 Oktobra 2021

2 Tantara 30. 13-20

Ny olona mankalaza ny fahafahana

1- Manala ny faharatsiana eo aminy

« Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema … » (and. 14)

Tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka dia nalainy ny fanaka tao amin’ny Tempoly dia nanaovany alitaram-tsampy eran’ny ny zoron-dàlana rehetra tany Jerosalema. Rehefa tonga teo amin’ny fanjakany i Hezekia dia nandrava izany rehetra izany mialohan’ny hankalazana ny fahatsiarovana ny fanafahana, dia nandrava sy nanary ny sampy izy. Toy zany koa, mialohan’ny hankalazana ny fahatsiarovana ny famonjena sy ny fanafahan’i Jesoa Kristy ny mpino, tamin’ny herin’ny ota, dia mila manary ny sampy rehetra. Ario ny sampy rehetra ao aminao mialohan’ny handraisana ny Fanasan’ny Tompo.

2- Andriamanitra mamela ny helony

« Ary Hezekia nivavaka… Ary Jehovah nihaino an’i Hezekia ka nahasitrana ny olona. » (and. 18. 20)

Maro tamin’ireo avy any amin’ny tany lavitra no tonga nitady an’i Jehovah kanefa tsy nahatratra ny fotoana fidiovana. Nifona tamin’i Jehovah ho azy ireny ny mpanjaka Hezekia. Satria tena vonona hitady an’i Jehovah ireny olona ireny dia nihaino an’i Hezekia Jehovah ka namindra fo tamin’ny olona. Amin’ny fotoana izay anehoan’ny olona fahavononana hitady an’Andriamanitra dia mamindra fo sy mamela ny heloka rehetra tamin’ny fahadisoan’ny olona Izy. Koa mitadiava an’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia ho voavela ny helokao.

Fanontaniana :

Inona no tsy ampy amin’ny fanantonanao an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV