Vaovao farany

Fifidianana ireo Mpanatanteraka

Vita androany maraina ny fankatoavana ireo Tonian’ny Departemanta telo eo anivon’ny FJKM

izay hiara-hiasa amin’ny

Sekretera Jeneraly : Andriamatoa Rakotonindrainy Jaona Mpitandrina.

Ireto avy  ary ireo tonian’ny Departemanta ireo :

Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : Andriamatoa ROBSON Rado Lalaina Johary, Mpitandrina

Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy vola : Ramatoa Andry Nirina Velosoa

Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly : Ramatoa Rakotondranaivo Domoina

Tsara ny mampahatsiahy fa ireo tompon’Andraikitra ireo dia apetraka amin’ny fombam-piangonana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra voafidy  tany Sambava nandritra  ny Synoda Lehibe faha-19,  ny Alahady 17 Oktobra 2021 ho avy izao, mandritra ny fanompoam-pivavahana eny amin’ny Coliséum.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra   

Perikopa 2021/2022

Desambra: MINOA NY FIFALIANA AO AMIN'NY TOMPO

| | 05. Advento II
ISam. 2. 1 - 5/ Lio. 1. 18- 25/ Fil. 4. 4 - 9

| | 12. Advento III - Sampana Sekoly Alahady
Oha. 23. 12 - 18/ Lio. 1. 39- 45/ 2Jao. 1. 1 - 6

| | 19. Advento IV
Isa. 12. 1 - 6/ Lio. 1. 57- 66/ ITes. 3. 6 - 13

| | 25. Krismasy
Zak. 8. 18 - 23/ Lio. 2. 8- 14/ Rom. 1. 1 - 7

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY