Alatsinainy 11 Oktobra 2021

SALAMO 117.1-2

Ny fiderana an’Andriamanitra

1-Adidin’ny olona rehetra

« Miderà an’i Jehovah ry firenena rehetra. Miderà Azy ry olona rehetra » (and1). taomin’ny mpanao salamo ny « firenena rehetra » sy ny « olona rehetra » hidera an’Andriamanitra . Didiana mihitsy ny olona rehetra monina eto ambonin’ny tany hidera an’Andriamanitra , satria Jehovah no Tompon’ny tany rehetra , fa ny Israely no fanjakam-pisorona (Eks 19.5,6). Ka na ny firenena Jentilisa aza dia tokony hidera an’Andriamanitra Tompon’ny tany satria monina ety ambonin’ny tany izy . Ary ny fiderana an’Andriamanitra tsara indrindra dia ny fanompoana Azy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy mandritry ny fotoana iainana ety ambonin’ny tany dia ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitra azy .

2-Amin’ny fahatsarany

« Fa lehibe ny famindrampony amintsika, ary mandrakizay ny fahamarinan’i Jehovah.Haleloia » (and2) . Andriamanitra mamindra fo sy marina Jehovah. Manoloana ny fanompoan-tsampy sy ny fivadibadihan’ny vahoaka Israely miverimberina .Andriamanitra kosa mamindra fo sy marina mandrakizay . Ary ho tombotsoan’ny vahoaka no anton’ny famindrampon’Andriamanitra . Ny famindrampo sy ny fahamarinan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny faharatsian’ny vahoaka amin’ny firenena ary izany no nanirahany an’i Jesoa Kristy tety an-tany hamonjy izao tontolo izao . Andriamanitra tsara , mpamindra fo , marina ka tokony hoderaina indrindra Jehovah.

Fanontaniana :

Ahoana no fomba ideranao an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV