Alakamisy 16 Septambra 2021
ASAN’NY APOSTOLY 18.5-8
1-Nanolo-tena hitory ny Filazantsara i Paoly
Misy voambolana ampiasaina eto manao hoe: « voaterin’ny teny i Paoly ». Tsy raisina ara-bakiteny akory izany fa izay tiana holazaina kosa dia izao satria efa nantsoin’Andriamanitra izy ho mpitory ny Filazantsara ka dia nanoka-tena hitory izany izy ary ny Filazantsara ambara dia i Jesoa Kristy sy ny asam-pamonjena nataony ho an’ny mino Azy rehetra .
2-Nihamafy hatrany ny fanoherana azy
Rehefa torina sy ambara anefa izany Filazantsara izany dia misy hatrany ireo voaelingelina noho ny fahitsian’nyFilazantsara satria ny Tenin’Andriamanitra ambara mihitsy dia voalaza hoe : maranitrea toy ny sabatra roa lela ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo , izany hoe : mampiharihary ny ratsy ataon’ny olona . Misy ny olona voatohintohina noho izany ka manenjika sy manaratsy no hany heriny , mifofo ny aina mihitsy aza ka izany no ilazana eto hoe : nihamafy ny fanoherana ny mpitory ny Filazantsara . Efa niteny izany iJesoa Kristy ary nampahery izay rehetra mihevitra hitory ny Filazantsara ka hamafisina amin’ny fiangonana koa izany .
3-Mitodika any amin’ny saha vaovao izy
Rehefa voaenjika sy haratsiana , fofoana aina tahaka izany ny mpitory ny Filazantsara dia misy ireo kivy ka mihemotra fa i Paoly kosa da nanapa-kevitra hitodika any amin’ny saha vaovao . Ny zava-dehibe dia ny fandrosoana hatrany hanatanteraka ny asa fitoriana ny Filazantsara na inona sakana na inona .
Fanontaniana :
Misedra zava-tsarotra ve ny mpitory ny Filazantsara ary inona no tokony hataony eo anatrehan’ izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM