Alarobia 15 Septambra 2021

SALAMO 51.1-12

Sokajin’ny mpahay baiboly ho ao anatin’ny vavaka ataon’ny olo-tokana mba hitadiavam-pamonjena amin’Andriamanitra ity Salamo ity . Olona manaiky tanteraka ny fahotany no manonona ity vavaka ity araka izao :

1-Mahatsiaro fa tomponandraikitra tamin’ny ratsy vitany

Mariho fa ny voambolana ampiasainy eto dia manondro azy nanota , toy ny hoe : « ny fahadisoako, tsaroako ny fahadisoako, ny fahotako , nanao izay ratsy teo imasonao« . Ny fanaon’ny olona mantsy dia mamatotra olona hafa fa tsy miaiky ny ratsy vitany (cf Gen 3.12-13).Soa fianatra kosa izay nataon’i Davida eo satria niaiky ny ratsy vitany izy.

2-Nanota tamin’Andriamanitra irery izy

Ambarany eto fa tsy nanota tamin’i Batseba ba tamin’i Oria izy fa tena nanota tamin’Andriamanitra mihitsy araka ny voalaza eto hoe: « Taminao dia taminao ihany no nataoko » satria tsy nankato ny didin’Andriamanitra ( cf Deo 22.22-24 ) ka noho izany dia nangataka tamin’Andriamanitra mba :

3-Hodiovin’Andriamanitra

Manaiky tanteraka ny fahefan’Andriamanitra izy , mino sy manantena ny fahari-po sy ny famindrampony koa . Noho izany mangataka ny fanadiovana azy . Mariho tsara ny voambolana ampiasainy eto : « sasao madio aho mba ho afa-keloka ary ho fotsy mangatsakatsaka , diovy hysopa mba ho afa-pahotana dia hadio« . Mino sy manantena izy fa na dia teo aza ny faharatsiany dia fitiavana Andriamanitra ka manana fomba hanavotana azy hatrany. Rehefa tena niaiky ny fahadisoany sy ny fahotany izy ka vonona ny hiova dia nametraka ny aminy eo am-pelatànan’Andriamanitra Ilay hany mahavonjy azy.

Fanontaniana :

Mamela ny fahotan’ny olona tena mibebaka marina Aminy ve Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV