SAF FJKM /Atrika asa

Atrika asa fanokafana ofisialy ny Tetikasa LLGI «Local Leadership for Global Impact»

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Kaominina Ampanefy, Distrika Antananarivo Atsimondrano ny Alakamisy 2 septambra 2021 lasa teo ny Tetikasa LLGI «Local Leadership for Global Impact» Ao anatin’ny Fandaharana asa Fitantanana ny loza sy ny tandindondoza voajanahary ity Tetikasa ity, izay mikendry ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fiarahamonina. Fanatsarana ireo fitaovana ilaina ihany koa amin’ny famolavolana sy fanamorana ny fandraisan’anjaran’ny vondrom-piaraha-monina amin’ny drafitra vonjy taitra ataon’ny manampahefana eo an-toerana.

Izao Tetikasa izao dia tanterahan’ny SAF/FJKM miaraka amin’ny BMZ, DKH, GNDR, BNGRC, DGM, FOREWAN, APIPA.

Ny Tale Jeneraly lefitry ny BNGRC, Rtoa RAZAFIMANANTSOA Mirana no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fisokafan’ny Tetikasa. Nofidina manokana ny Kaominina Ampanefy hanatanterahana ny Tetikasa noho izy mora tratran’ny tondradrano sy fahavakisan’ny fefiloha matetika vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony.
Ny mponina sy ireo Manampahefana eo an-toerana ary ireo Raiamandreny ara-drazana no misitraka izao Tetikasa izao, izay haharitra 3 taona.

SAF/FJKM “miasa hanandratra ny maha olona”.
Fifandraisana SAF/FJKM

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina