Zoma 10 Septambra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 10.44-48

Ny Fanahy Masina

1-Nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny

« Raha mbola nilaza izany teny izany i Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny Fanahy Masina » (and44) .Zava-dehibe ny fifantohana , fihainoana , fihainoana ary fandraisana ny Tenin’Andriamanitra . Voalaza eto fa izany dia loharano niteraka ny ony izay nahafahan’ireo izay nihaino nilatsahan’ny Fanahy masina . Izany dia ankoatra ireo fomba hafa efa fantantsika handraisana fahasoavana hisitrahana ny Fanahy Masina toy ny fametrahan-tànana , fangatahana amin’ny Tompo , ny vavaka ary indrindra fa ny fandraisana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.

2-Tsy mijery tavan’olona

« Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera satria nilatsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana dia ny Fanahy Masina » (and45). Ny Fanahy Masina dia tahaka ny persona izay miteny , mibaiko : »hoy ny Fanahy Masina » (and19), any amin’nys ehatra hafa dia manana fihetsehampo ny Fanahy Masina . « Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra « (Efes 4.30), ary eto dia toy ny manana fanapahan-kevitra ny Fanahy Masina ka nisafidy tsy hijery tavan’olona ka nilatsaka tamin’ny Jentilisa ireny ilay « ondry hafa » izay tian’i Jesoa ho ao am-bala ihany koa.

3-Tsy afa-misaraka amin’ny fandraisana Sakramenta

Indraindray dia ny batisa no lasa alohan’ny fandraisana ny Fanahy Masina (Asa 8.17). Indraindray miaraka amin’ny fotoana iray izany ary eto dia ny batisa no aloha . Ny iombonan’ireo dia mifampiankina sy mifampitohy ireo .

Fanontaniana :

Lazao izay azonao ambara fohy momba nyFanahy Masina .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV