Rakotomaditra!

IZAHO MADITRA AMIN’NY RARINY!.

Rehefa naharesy ireo mpanjaka vazimba tao Analamanga (Antananarivo ) ny mpanjaka Andrianjaka, zanaka nandimby ny mpanjaka Ralambo, dia nangataka an’izy ireny mba hifindra monina mba tsy hanaloka ny fitondrany. Anisan’ireny ny mpanjaka vazimba Andriambodilova izay nisafidy ny tananan’Ambohimanarina. Izy dia zanakin’ ny mpanjaka Andriampirokona. Vazimba Antehiroka no filazana an-drizareo ary nohajaina sy nohamasini’ireo mpanjaka nifandimby ny toerana nilevenany satria atahorana. Ny Antehiroka irery ihany no nahazo fahefana mandidy ny zanakin’ny mpanjaka rehefa atao hasoavana. I Andriambodilova dia nanambady an’ i Ranoro. Raha mahatadidy ianareo dia misy fokontany mitondra ny anarana hoe Andranoro, tananan’i Ranoro, eny Andranoro. Misy farihy Izay nolazaina fa tao no nisitrika i Ranoro, ka tsy niverina intsony, rehefa tsy nahatandrina ny fady izay nangatahany ny mpanjaka Andriambodilova. Nangatahin’ny Ranoro no tsy hanonona velively ny teny sira raha hivady aminy. Misy fady mila fantarina raha hamangy ny toerana misy an’i Andriambodilova eny Ambohimanarina sy Ranoro eny Andranoro dia tongolo sy ny sira.Nanana zanaka atao hoe Rakotonanahary i Andriambodilova sy Ranoro. Nisy fotoana izy io niambina toerana izay nisy mpanjaka teny Ambohimanga. Ririnina ny andro tamin’izay ka tsy zakan’i Rakotonanahary ny niaritra ny hatsika tao ivelany ka nahatonga azy hisotro « toaka » matetika mba hanafana azy. Nitezeran’i Ranoro matetika izy tamin’izany fomba ratsiny izany kanefa mbola naveriny foana ka nahatonga azy nametraka ho rakitrin’ny tantara ito teny malaza hoe:  » IZAHO MADITRA AMIN’NY RARINY ». Noho io toetrany tsy mety hanarina io no nahatonga an-dreniny nanova ny anarany taty aoriana ho RAKOTOMADITRA.

Tahiry sy fomban- drazana Malagasy

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV