Aumônerie /Fihaonambe 21

FIHAONAMBEN’NY AUMONERIE FJKM

“ Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” II Tim 1 : 8a

“ Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto

rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. ” Matio 25:40

                                                                                           

Ho fampiharana ny tinapaka tany amin’ny Fihaonamben’ny Aumônerie tany Toamasina ny taona 2017 dia am-pifaliana no ilazana amintsika fa ny fihaonamben’ny Aumônerie 2021 dia hotanterahina any amin’ny FJKM Ambohimena Antsirabe ny Alahady 24 Oktobra hatramin’ny Alarobia 27 Oktobra ho avy izao.

Asaina tsy misy ankanavaka hanatrika izany ny Aumôniers  sy ny mpiara-miasa aminy, Ny Prezida Synodaly sy ny Komitin’ny Aumônerie SP na solontena ho an’ireo synodamparitany mbola tsy misy Aumônerie, Mpitandrina sy ny Komitin’ny Aumônerie isam-pitandremana, eny  ny mpiatsehatra amin’ny asan’ny Aumônerie rehetra sy ireo mpanohana ny asa ary izay liana amin’izany.

Toy izao ny andinindininy sy ny fandaniana ho an’ny isambatan’olona mahakasika io fihaonambe io:

  • Lohahevitra: ‘‘Miorena tsara, aza miova” I Kor 15:58
  • Saran-dasy : 100 000 Ariary (Sakafo, fatoriana, kits fihaonambe)
  • Saran-dalana, Antananarivo-Antsirabe: 30 000 Ariary mandroso sy miverina (Mila misoratra anarana mialoha ny Alarobia 20 Oktobra ; Fiaingana : eny amin’ny Chapelle HUJRA ny Sabotsy 23 Oktobra amin’ny 02ora tolakandro.)
  • Ny sakafo an-dalana sy ny fivezivezena ary ny fandaniana hafa ilain’ny mpamonjy fihaonambe dia entanina ny isaky ny sehatra sy ny Synodamparitany ary ny fitandremana  mba hanohana.
  • Survêtement 35000 Ariary no fitafiana iombonana amin’io fihaonambe  io ka mila milaza iray volana mialoha izay  mikasa hividy izany hahafahana manao ny famandrihana.
  • Ankoatra ny fampianarana sy ny fitsidihana ary ny hetsika sosialy dia hisy fifaninana Soratra Masina, fanatanjahan-tena  ary seho kanto isankarazany  izay samy mifototra amin’ny lohahevitry ny fihaonambe amin’io ka dia mila miomana amin’izany ny tsirairay sy ny isaky ny sehatr’asa.
  • Baiboly sy Fihirana
  • Cahier sy Stylo
  • Fampirantiana ny asa
  • Fanomezana hanaovana asa sosialy any an-toerana
  • Fanamiana mitovy ho an’izay hanao fanatanjahan-tena sy vakodrazana.
  • Fanafody sy izay ilaina amin’ny fitandroana ny hamehana ara-pahasalamana.

Ho fandaminana dia iangaviana isika mba handefa mialoha ny isa sy ny lisitr’ireo hamonjy fihaonambe aty amin’ny Foibe Aumônerie hatramin’ny Alatsinainy 11 Oktobra 2021.

            Ny Filoha         Ny Mpandrindra Nasionaly

RALAMBOMAHAY Hendrininosy,  Mpitandrina         RANDRIANAIVOARIVELO RADOBERA , Mpitandrina 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV