Alarobia 08 Septambra 2021

LIOKA 3.21-22

Ilay Batisa miavaka

1-Maneho fahatanterahan’ny teny faminaniana

Maro ireo teny fikasana momba an’i Jesoa izay voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha . Isan’izany ny voasoratra hoe : « Jehovah nilaza tamiko hoe : Zanako ianao, Izaho niteraka anao androany « (Sal 2.7) sy ny hoe : « Indro ny mpanompoko , izay tantanako , dia ilay nofidiko sdy sitraky ny foko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko » (Isa 42.1) .Samy tanteraka ara-bakiteny tamin’ny fanaovana batisa an’i Jesoa ireo faminaniana ireo .

2-Maneho ny fanatrehan’Andriamanitra

Hita taratra eto fa natrehan’Andriamanitra ny fiombonam-piainana eo amin’ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina . Misongadina eto koa ny fanatrehan’ny Fanahy Masina ao amin’i Jesoa . Hoy ny voasoratra hoe : « Ny Tompo izany Fanahy izany » (2 Kor 3.17).Hatrany am-piandohana dia efa hita taratra izany fiombonana lalina izany : « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha isika hamorona olona tahaka antsika ... »(Gen 1.26)

3-Maneho fa Zanak’ Andriamanitra Jesoa

« Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako » (and22d) manambara mivantana amin’i Jesoa ny maha-Zanaka Malala , sitrak’Andriamanitra .Ato amin’ny Lio 3.38 dia ahitana ny maha-Zanaka miavaka an’i Jesoa fa sady taranak’i Davida avy amin’i Adama Izy no Zanak’Andriamanitra .

4-Dingana lehibe hirosoana amin’ny fanompoana

Manaja ny lamina ara-pivavahana i Jesoa . Toy ny fanoloran-jaza (Lio 2.22) , fitiavana Tempoly (Lio 2.42), batisa mialohan’ny hanatanterahany ny iraka nomena Azy.

Fanontaniana :

Inona avy no mampiavaka ny batisan’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV