Alatsinainy 06 Septambra 2021

ROMANA 4.9-12

Nahatonga ady hevitra teo amin’ny mpino ny amin’ireo Jentilisa izay manolo-tena ho an’ny Tompo . Ao ny milaza fa tsy maintsy forana aloha ireo vao azo ekena ny fanolorantenany . Nitondra fanazavana àry i Paoly fa :

Ny fanamarinan’ Andriamanitra ny mpanompony dia :

1-Tsy miankina amin’ny fiaviana sy ny fombafomba

« Koa izany fahasambarana izany , moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa ? » Fanontaniana no apetrak’i Paoly eto ary izay ihany no mitondra valiny tandrify izany . Ambaran’i Paoly fa manana zo hisitraka ny fahasambaran’ny olona nohamarin’ny Tompo ihany koa na ireo izay atao hoe : Jentilisa , hafa firenena izay tsy Jiosy . Raha natokana ho an’ny Jiosy ihany tokoa mantsy ny famonjena , na dia isika aza sahirana amin’izany . Soa ihany fa ho an’izao tontolo izao ny famonjen’ny Tompo, dia izay mino Azy izany . Tsy fiaviana na fombafombam-pivavahana no hanamarinana antsika .

2-Miankina amin’ny dian’ny finoan’i Abrahama

« Fa izay mandeha araka ny dian’ny finoan’i Abrahama razantsika koa , izay nananany fony izy tsy mbola voafora » (and12). Ambaran’i Paoly fa raha nandray ny teny fikasana avy amin’ny Tompo Abrahama dia fony izy mbola tsy voafora . Ny finoan’i Abrahama no nampisongadina azy ka nanekeny ny baikon’ny Tompo , satria izay marina amin’ny finoana no ho velona .

Fanontaniana :

Ahoana no ahafahana milaza fa tsy miankina amin’ny fiaviana na ny fanarahana fombafombam-pivavahana ny famonjena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV