SFL/ Fanavaozana Birao

Komity lehibe

Jaona 15 : 16. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.

Misaotra ny Tompo vita soa ny  Komity Foibe tsy ara-potoana izay notanterahina ny Talata 24 Aogositra 2021. tao amin’ny FJKM Ambatomaro Fehizoro SPAA12. Nitarika ny fotoana : Ny Mpitandrina RAMAROKOTO Haingotiana,Mpiandraikitra Foibe, mpiahy ny SFL. Nitondra ny hafatry ny Tompo sy nitarika ny fifidianana ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina.Tontosa ny nifidianana izay ho Filohan’ny Sampana Fivondronana Laika, koa ireto ary ireo  birao vaovao ao anatin’izany :
Ny Filoha : Rtoa RAMANANA Fiainantsoa

Ny Filoha Mpanampy Laika : Atoa RAFALIMANANA Julien

Ny Mpitantsoratry ny vola : Atoa RAZANOELINA Jean Claude-

Tapaka ihany koa fa ahemotra amin’ny volana aogositra 2022 ny fihaonamben ‘ny SFL hatao any Fenerive Est raha sitrapon’ny Tompo


Nanangona Veronica A 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV