Alahady 18 Jolay 2021

Filipiana 3. 12 – 16

Ny olona tanteraka amin’ny fiantsoana

1- Miezaka mihazona an’i Kristy

« …Fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesoa ahy. » (and. 12)

Asehon’i Paoly eto fa ady ny finoana tahaka ny hanoharany azy amin’ny fihazakazahana ihany ( 1Kor. 9. 24 – 27). Na dia efa miaina ao anatin’ny fahatsapana fa efa tanteraka amin’ny finoana aza i Paoly dia resy lahatra fa ady ny fiainana Kristiana. Noho izany, tsy maintsy manamafy orina hatrany ny finoana an’i Kristy ny mpino, indrindra ireo izay mahatsapa ny tenany ho efa miorina tsara amin’ny finoana. Jesoa Kristy no mihazona ny Kristiana amin’ny finoana (Lio. 22. 32), Kanefa adidin’ny olom-boantso ny mametraka ny adiny sy ny finoany amin’i Jesoa Kristy. Koa raha mahatsiaro ho voantso, miezaha hatrany manamafy orina ny finoana fa ady ny fihazonana ny finoana.

2- Miezaka mihazoana ny fiainana mandrakizay

« Eny, miezaha hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra … »(and. 14)

Antsoin’i Paoly Apostoly hoe marika sy loka noho ny fiantsoan’Andriamanitra azy ny fiainana mandrakizay. Azo antoka ny handovan’ny olom-boantso ny fiainana mandrakizay. Ka ny olona izay natsoin’Andriamanitra dia miezaka mihazona izany fiainana mandrakizay efa azony izany sady tsy mitsahatra ny mikendry mandrakariva ny handovana izany amin’ny fahatanterahany. Koa aoka tsy ho variana amin’izao fiainana izao sy ny filany ary ny fahotana, indrindra tandremo sao mihemotra fa aleo mandroso hatrany amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, mba hahatrarana ny tanjona, dia ny handova ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana :

Inona no ezaka ataonao hihazonana ny finoana an’I Jesoa Kristy sy ny fiainana mandrakizay?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV