Sabotsy 17 Jolay 2021

Isaia 41. 8 – 13

Andriamanitra manome toky ny vahoakany

  1. Mampatsiahy ny fifidianany

Efa nofidiko ka tsy mba nariako” (And. 9)

Nahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra tanteraka ny Jiosy satria babo tany Babylona . Rava ny tanànan’I Jerosalema sy ny Tempoly noho ny  fahotan’ny mpitondra  sy  ny vahoaka. Nanoloana izany, manome toky fa hanary ny  vahoaka nofidiany Andriamanitra. Mitana ny teny nataony amin’ny olom-boafidiny Andriamanitra na dia mivadika amin’ny fanekena aza ny olona. Kanefa izay rehetra mivadika amin’ny fanekena nataony tamin’Andriamanitra dia sazian’Andriamnitra mba hahatsiarovan’izany olona izany fa Andriamanitra efa nifidy azy. Koa tsarovy fa efa nifidy anao Andriamanitra tao amin’I Jesoa Kristy ka aza mivadika Aminy.

2-Mampahatsiahy ny maha Andriamanitra Azy

Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao”. (And. 10)

Fomba fisainana tamin’izany ny hoe : izay firenena mandresy amin’ny ady no mahery ny andriamanitra ivavahany. Ka ny faharesen’ny  vahoakan’Andriamanitra dia toa midika hoe : malemy Ilay Andriamanitra notompoiny. Izany no mahatonga an’Andriamanitra mampatsiahy fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery ihany ary Izy Irery ihany koa no tokony hotompoina sy hanafaka. Ny olona izay manaiky hanompo an’Andriamanitra ao anatin’ny olana sy fahasahiranana no omeny tokim-panafahana. Koa manompoa an’Andriamanitra, amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Ilay herin’Andriamanitra, dia ho afaka hianao.

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hanehoana ny fatokiana an’Andriamanitra eo amin’ny olana atrehinao?          

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV