Zoma 16 Jolay 2021

Asan’ ny Apostoly 7. 30 -38

Mitantara ny amin’i Kornelio, kapiteny Romana sy ny nahatongavan’i Petera tao an-tranony ny Asa 10 manontolo.

Ny olom-boantson’Andriamanitra

1- Hazavainy mandrakariva

Raha mamaky eo amin’ny and 10 – 18 isika dia hahatsikaritra fa nitokam-bavaka i Petera ary tao anatin’izany no nisy fahitana tonga. Tsy azony anefa ny heviny saingy eo amin’ny and 19 dia manomboka hitany taratra ny hevitry ny fahitana. Hamafisina fa tao anaty fiainam-bavaka i Petera eto . Ny fonosin’izany dia izao : Andriamanitra ihany no manazava izay avy amin’Andriamanitra ( fahitana izy eto). Tsy avelany ho sanganehana ao anatin’ny tsy fahatakarana ny olom-boantsony. Tahaka izany indrindra koa ny fomba nampianarin’i Jesoa, rehefa tsy takatry ny mpianany na izay mihaino azy ny zava-dazainy dia izy ihany no manao fanoharana hafa vaovao mba hanazavana izany. Ianao koa, tsarovy fa Andriamanitra manome fahazavan- tsaina ny mpanompony feno fiainam-bavaka sy ny tsara fifandraisana Aminy! Manàna fiainam-bavaka ianao!

2- Ampianariny zava-baovao

Zava-manahirana teo amin’ny Jiosy izany hoe: hifandray, mainka moa fa hoe : hiantrano any amin’ny hafa firenena izany, ary izany no saika nahasanganehana an’i Petera raha tonga tao aminy ny irak’i Kornelio, Kanefa rehefa nanaiky handeha izy dia nahatsapa fa tena avy amin’Andriamanitra mihitsy tokoa ny zava-mitranga ary niaiky mihitsy aza i Petera hoe : « hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ». Zava-baovao tamin’i Petera izao iraka nampanaovina azy izao, nefa dia nampitombo ny fahalalany ny amin’Andriamanitra, nanova ny fomba fisainana tao anatiny izay nihevitra ny hafa ( jentilisa ) ho tsy mendrika hovonjena!

Fanontaniana :

Ahoana no ahafahana manavaka na avy amin’Andriamanitra ny fahitana na tsia ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV