Akany Fialofana T./Tolotrasa
Tolotr’asa Tangaina Akany Fialofana – Orphelinat FJKM
Ho fanatsarana ny asa fanabeazana ny zanatsika taizana eto amin’ny Akany FIalofana Tangaina dia misy ireto Tolotr’asa roa ireto.
Mpandraharaha
• Lehilahy na Vehivavy 35 taona noho mihoatra
• Mpandray ny fanasan’ny Tompo FJKM
• Monina eny Ampitatafika sy ny manodidina
• Mahafehy ny teny frantsay sy Anglisy ; tombony raha mahazo ny teny Alemana
• Manana BAC+2 (Sciences sociales, sciences humaines, sciences économique,…) farafahakeliny
• Manana fahalalana amin’ny « informatique » sy « secrétariat »
• Mahay mifandray amin’ny ankizy sy ny tanora
• Tsy mandray zavamahadomelina
• Manaiky ny fepetra maha mpiasan’ny FJKM
Ny anjara asany dia :
• Hanampy ny Tale amin’ny fitantanan-draharahan’ny Akany
• Hanao ny asa fitanana an-tsoratra
• Hanampy amin’ny fitantanana ny trano fitehirizan’entana
MPITAIZA ANKIZY na « GOUVERNANTE D’ENFANTS »
• Vehivavy 35 taona noho mihoatra, tokan-tena
• Mpandray ny fanasan’ny Tompo FJKM
• Mahay miteny teny frantsay sy anglisy.
• Manana BAC+2(travail social) farafahakeliny
• Manana fahalalana amin’ny asa tanana sy na zaitra( tombony)
• Mahay mifandray amin’ny ankizy sy ny tanora
• Tsy mandray zavamahadomelina
• Tsy misy aretina mitaiza
• Manaiky ny fepetra maha mpiasan’ny FJKM
Ny anjara asany dia :
• Hikarakara mivantana ny ankizy tsirairay : ny fahadiovana sy ny fikarakarana vatana.
• Hanara-maso ny trano fatoriana : fahadiovana, filaminana
• Hiandraikitra ny asa tanana sy ny zaitra
• Honina sy hiray efitra amin’ny ankizy ao amin’ny Akany
• Hanampy amin’ny fanaraha-maso ny fiainan’ny ankizy.
Ny antontan-taratasy dia aterina ao amin’ny varavarana 206, foibe FJKM , Atao anaty valopy lehibe mihidy amin’ny anaran’Atoa ANDRIANIAINA Eric Mpitandrina, Filohan’ny KOMITY MPITANTANA ny Akany Fialofana Tangaina, ary miampy ny soratra hoe « GOUVERNANTE AKAFITA ». ; farafahatarany ny Zoma 23 Jolay 2021 amin’ny 3 ora tolakandro.
Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny 034 99 060 02.