Alakamisy 15 Jolay 2021


2 Petera 3. 11- 18


Mananatra ny olona tsy ho mora voarebirebin’ny fampianaran-diso, indrindra ny momba ny fiverenan’ i Kristy ny Apostoly Petera amin’ity Epistily ity. Ambarany fa manana fanantenana ny amin’izany fiverenan’i Jesoa ihany ny mino.

Eo ampiandrasana izany anefa dia amporisihan’i Petera ny mpino mba :


1- Ho hita tsy manan-tsiny (and 14)
« Dia mazotoa mba ho hita tsy mana-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana ». Ny toe-panahy tokony ananan’ny mino eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy indray no atoron’i Petera eto. Ny hevitry ny hoe : tsy manan-tsiny dia hoe : tsy milona na mijanona ho andevon’ny ota intsony satria efa voavonjin’i Kristy tamin’izany rahateo . Ianao koa : ialao ny faharatsiana, ialao ny fahalotoana eo am-piandrasana an’ i Jesoa indray .


2- Mahatakatra ny famonjen’Andriamanitra (and 15)
« Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly rahalahy malalantsika ». Nisy fampianarana hafahafa tamin’izany fotoana izany nilaza fa tsy misy izany andron’ny Tompo izany. Ampianarin’ i Petera anefa eto fa matoa tsy mbola tonga indray i Kristy dia famonjena izany, fitiavana izany satria manome fotoana ho an’ny olona mba hialany amin’ny ratsy ka handraisany an’ i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy. Mbola famindram-pon’Andriamanitra izany. Ianao koa, fantatro tsara fa isan’ny misitraka izany fahari-pon’ny Tompo izany ianao matoa mbola mahita ity mofon’aina ity . Araraoty , raiso marina i Jesoa .

3- Mitàna tsara ny finoana (and 17)
« Tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo« . Ny mpino dia mahalala tsara izay ambaran’ny Soratra Masina sady efa nampianarina izany ka tokony hifikitra amin’izany mba tsy ho mora mihozongozona na ho mora havilin’ny mpampianatra sandoka ! Tano tsara àry ny finoana izay efa nampianarina anao !


Fanontaniana :
Manao ahoana ny fanantenanao ny tany vaovao sy lanitra vaovao nampanantenain’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV