FJKM Viliahazo Fanantenana(SP 12)

MAVITRIKA AMIN’NY FANATERAM-BOKATRA

Lavorary ny voka-dehibe na dia avy nandalo ny fihibohana aza ny fiangonana. Tratra ny tanjona tamin’ny nanatanterahana ny fanateram-bokatra ho an’ny FJKM VILIAHAZO FANANTENANA ao anaty Synodamparitany Antananarivo Atsinanana ny Alahady 20 Jona 2021 teo. Io no andro nofidiana ho solon’ny tsy fahafahana nanao izany tamin’ny andro Pentekôsta noho ny zava-misy ara-pahasalamana eto amin’ny firenena sy ny fepetra noraisina. Tonga maro ny mpianakavin’ny finoana, ny Reny fiangonana sy ny Zanaka am-pielezana, nanoina ny antso niara-nidera an’Andriamanitra tamin’ny fanompoam-pivavahana. Navitrika ihany koa izy ireo tamin’ny fandraisana anjara nandritry ny lavantim-bokatra marobe isan-karazany. Vola mitentina hatrany amin’ny 12 tapitrisa ariary no nokendrena ho voaangona, ary nambaran’ny Mpitandrina RATSIMIHAFY Ezekiela fa mihoatra an’izany aza no azo. Ny ezaka natao dia ny hahafahana manatanteraka ireo asa miandry toy ny fotodrafitrasa sy ny fampandehanan-draharaha amin’ny fiainam-piangonana.

Miara-miasa akaiky ny Reni-fiangonana sy ny Zanaka am-pielezana, ary hentitra sy matotra izany, hoy ny nambaran’ny filohany, Atoa RAKOTOJAOFENO Petera. Efa eny amin’ny Fofikri Ilafy ny fivorian’ny Zanaka am-pielezana manomboka ny 25 Jolay izao, rehefa niato izany tao anaty fihibohana, araka ny nambarany.

Hanamarika ny faha-20 taona maha-Mpitandrina an’Atoa RATSIMIHAFY Ezekiela, ihany koa ny fiangonana Viliahazo Fanantenana amin’ity taona 2021 ity, ka ny Alahady 04 Jolay 2021 ho avy izao no hankalazana an’Andriamanitra ny amin’izany. Nisongadina ny fivoaran’ny fiangonana tao anaty fiaraha-miasa taminy. Anisan’izany ny fanitarana ny trano fiangonana, ny fanavaozana ny vavahady, ny fefy tamboho, ny fanaovana rarivato ny tokontany, ireo ezaka sy asa maro samihafa, sns. Koa rariny indrindra ary entanina araka izany ho tonga maro ny zanaky ny fiangonana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy hankasitrahana ny mpanompony.

R.Philémon  

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV