Fanorenana ivotoerana SP 11

Mizotra ny asa

Mizotra ankehitriny ny fanorenana ny ivotoerana ho biraon’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo, izay tantanin’ny KOFIT (komity fanorenana ny ivotoerana) ary ny Prezida synodaly RABELISON HARIMANITRA Manassé, no mitarika izany ankehitriny, taorian’ny fanavaozana nandalo teo anivon’ny ambaratongan-drafitra (MDR sy ny KL).

Marihina fa ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo (SPAA11) irery sisa tsy nahavita ivotoerana ho birao iasana, raha ampitahaina amin’ireo Synodamparitany telo namany, misy eto amin’ny Faritra Antananarivo renivohitra.

Eo Fiadanana no miorina izany ivotoerana hatao ho birao, iasan’ireo Mpandraharahan’ny SPAA11 izany, ka raha ny fahitana ny fizotry ny asa eny an-toerana ankehitriny, dia mandroso ny asa ary raha tonga avokoa ireo adidy natokana ho an’ny ivotoerana avy any amin’ny Fitandremana tsirairay mandrafitra ny Synodamparitany, dia hitsangana ny trano ary ho azo hiasana izany amin’ny taona ho avy 2022.

Koa entanina hatrany ireo Fitandremana mbola tsy nahavita ny adidiny, hanefa izany mba tsy hitarazoka ny famitana ny trano ivotoerana ho an’ny SPAA11. Jesoa Kristy Tompon’ny asa anie itantana ny daholobe, amin’ny andraikitra rehetra sahanin’ny tsirairay, Amena. Soli Deo Gloria.

                                                                                                          FaingantananA,,SF’’

Perikopa 2021

Aogositra: MIORENA AMIN'NY ASA TSARA

| | 01. Ala. IX man. Trinite
Deo. 15. 7 - 11/ Mat. 6. 1- 4/ Efe. 2. 8 - 10

| | 08. Ala. X man. Trinite - KFTM(Maritiora)
Sal. 31. 1 - 8/ Mat. 21. 33- 46/ Asa. 7. 51 - 8.1

| | 15. Ala. XI man. Trinite - Aumônerie Nationale
Oha. 14. 22 - 27/ Lio. 18. 18- 30/ 2kor. 9. 6 - 15

| | 22. Ala. XII man. Trinite
Mik. 6. 6 - 8/ Mar. 12. 41- 44/ Fil. 1. 1 - 11

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY