Talata 15 Jiona 2021

2 Timoty 2. 22-26

Kristiana eto amin’izao tontolo izao

Nifampitondra toy ny raiamandreny sy zanaka Paoly sy Timoty. Niezaka mihitsy Paoly nanoro hevitra an’i Timoty mba hahatonga azy hahay hitondra tsara ny fiangonan’Andriamanitra. Eto amin’izao tontolo izao ny mino ka mila:

1- Mandositra sy mandà (and 22,23)

Misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny filazantsaran’I Jesoa eto amin’izao tontolo izao. Noho izany dia manana adidy ny mino handositra sy handà azy ireny. Mba hahatonga ny mino ho fanasina sy fahazavan’izao tontolo izao dia adidiny izany. Ho fitehirizan’ny mino ny tenany ho amin’ny fahamasinana koa no tsy maintsy hanaovany izany.

2-Mihavana (and 24)

Tsy avelan’i Paoly hiady ny mino noho izy mpanompon’i Kristy. Izy ireo dia nodidian’i Jesoa hifankatia sy hihavana satria izany no maneho an’I Jesoa sy ny Fitiavany eto amin’izao tontolo izao. Ny Fiangonana Kristianina rahateo no modelim-pifankatiavana sy modelim-pihavanana noho izy ireo naka tahaka an’I Kristy sy ny mpianany.

3- Mifananatra (and 25)

Asain’i Paoly mifananatra ny mino, ny tanjon’izany dia ny hahatonga fibebahana ka hahazoana famelan-keloka. Mifanome toromarika mahasoa ho enti-mitondra tsarany fiainana hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra no tena tian’i Paoly hahatongavana. Mifampiteny rahateo amin’ny fitiavana rehefa misy tsy mety atao. Noho ny fitiavana ny namana dia tsy fanaon’ny mino ny mifampijery arina an-tava.

Fanontaniana:

Ahoana no fomba hanehoana ny maha-Kristianina eto amin’izao tontolo izao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV