Alatsinainy 14 Jona 2021

Josoa 3. 7-17

Josoa Mpanompon’Andriamanitra

Josoa no nomanin’Andriamanitra hitondra sy hitarika ny zanak’Israely hiditra ny tany Kanana. Rehefa tena dinihina ny fiainana dia hita mihitsy fa tena nahay nianatra tamin’I Mosesy ny fomba fitondra ny vahoaka Israely izy :

1- Nomban’Andriamanitra izy and 7)

Ilay fombàn’Andriamanitra an’i Josoa dia tsy zava-baovao taminy. Efa hitany sy tsapany teo amin’ny fiainan’i Mosesy izany. Ny teny hoe : « tahaka » eo amin’ ny and 7 dia milaza mazava fa tena mitovy tamin’izay nomban’Andriamanitra an’i Mosesy ny an’i Josoa. Izany moa dia ho enti-milaza fa tsy miova Andriamanitra eo amin’ny fitondrany ny Mpanompony. Tiany hatoky Azy Josoa ka izany rahateo no nilazany hoe « tahaka » na iza na iza manompo an’Andriamanitra io eo amin’ny andraikitra nomeny.

2- Nitaona ny vahoaka Israely hihaino (and 9)

Anisan’ny andraikitra maha-mpitarika ny vahoaka Israely ny fitaomana azy hihaino an’Andriamanitra. Ny hoe : mihaino an’Andriamanitra dia azo adika koa hoe : mifandray sy mifanerasera amin’Andriamanitra. Niezaka namboly izany fifandraisana izany teo Andriamanitra sy ny vahoakany i Josoa . Adidin’izay mitondra sy mitarika araka izany ny manao izay hampisy fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. Izany rahateo no andraikitra voalohany andrasan’Andriamanitra amin’izay nofidiany hitondra ny vahoakany. Niezaka nampifandray ny olona rehetra tamin’Andriamanitra i Jesoa . Izay no maha-mpitarika Azy, izay no maha mpanelanelana Azy.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hitaomana ny olona hihaino ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV