Sabotsy 12 Jona 2021

1 SAMOELA 15.16-26

Sarobidy ny mihaino an’Andriamanitra

Anisan’ny teny manan-danja indrindra ao amin’ny tontolon’ny Testamenta Taloha . ny hoe: « mihainoa ry Israely« . Izany teny izany dia fitaomana ny mpitondra sy ny vahoaka Israely hihaino mandrakariva an’Andriamanitra . Tena loharanom-piadanana sy loharanom-pitahiana ho an’ny vahoaka Israely mantsy izany . Ny fihainoana an’Andriamanitra dia :

1-Ahafahana mandresy ny fahavalo

Afaka nandresy sy nandringana ny Amalekita i Saoly mpanjaka sy ny vahoaka Israely noho izy ireo nanaraka ny Tenin’Andriamanitra sy ny tenin’i Samoela mpanompon’Andriamanitra . Rehefa mifanaraka amin’izay toro-làlana omen’Andriamanitra sy ny mpanompon’Andriamanitra ny zavatra ataon’ny mpitondra sy ny vahoaka dia mahita fahombiazana izy ireo . Ampifanaraho amin’ny toromariky ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva ny zavatra rehetra tanterahina fa fomba ho enti-mandresy ny fahavalo izany .

2-Ahazoana sitraka amin’Andriamanitra ( and22 )

Tsy naringan’i Saoly sy ny Israely ny biby fiompy araka ny toromariky ny Tompo . Nokasain’izy ireo hatao fanatitra ho an’ Andriamanitra izany. Nieritreritra hahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy ireo raha nanao izany , kanjo teny mafy no azony tamin’Andriamanitra noho izy ireo tsy nanaraka ny Tenin’Andriamanitra . Tsy nahazo sitraka araka izay nantenainy . Raha te-hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia zava-dehibe ny fahaiza-mihaino sy mankato Azy . Sitraky ny Tompo mihoatra noho izay fanomezana atolotra Azy ny mihaino sy mankato Azy .

Fanontaniana :

Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra izay mihaino an’Andriamanitra no tsy tonga amin’ny fankatoavana Azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV