Alahady 06 Jiona 2021

Genesisy 7.1-5

Novonjen’Andriamanitra tamin’ny safo-drano Noa mianakavy. Izany famonjen’Andriamanitra izany dia vokatry ny fankatoavan’i Noa sy ny vady aman-janany ny Tenin’Andriamanitra. Andriamanitra tokoa dia mamonjy izay :

1-Hitany fa marina (and1)

Rehefa hitan’Andriamanitra fa marina Noa dia notoroiny hevitra hiditra ao anaty sambo fiara mba tsy ho ringana. Izany torohevitry Ny Tompo izany no niaro azy mianakavy tamin’ny fandringanana ho avy. Andriamanitra dia miaro mandrakariva ny oloNy, ny MpanompoNy. Tsy sitrak’Andriamanitra rahateo ny haharingana ny mpanompony. Izany no anton’ny fanomezan’Andriamanitra an’i Noa ny toromarika izay niantoka ny fahavelomany. Tsy misaraka amin’ny fahazoana ny toromariky ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva ny antoka hahavelona. Ary izay nahazo ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina no manana ny toromarika hahazoana ny fiainana mandrakizay.

2- Mankato Azy (and 5)

Na dia nomena toromarika hahavelona azy sy ny taranany aza Noa dia avy hatrany dia nankato, nanaraka araka ny tokony ho izy ny toromarika. Izany fankatoavana sy ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra izany : fidirana tao amin’ny sambo fiara no tsy nahatratry ny fandringanana azy sy ny vady aman-janany.

Araho sy ankatoavy mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra, raiso ary tanteraho tsara ny toromariky ny Tenin’Andriamanitra, miaro amin’ny fandringanana ho avy izany ka miantoka fahavelomana maharitra mandrakizay.

Fanontaniana:

Nahoana no sarotra amin’ny olona ny mankato Ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV