Vavaka sy Fifadiankanina /21 05 21

ANDROM-BAVAKA SY FIFADIAN-KANINA

Zoma 21 May 2021

9 ora – 3 ora

Mivantana RADIO FAHAZAVANA FM.88.6

« Miorena tsara aza miova »

(1 Kor.15,58

Toriteny

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.  Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny…Ankino amin’i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.  Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao; Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, » Jao. 4:24 ; 9:31 ; Ohab 16:3 ; 3: 56).

Hivavaka amin’Andriamanitra isika. Ny Foibe FJKM, ny Departemantan’ny Fiangonana dia mitaona antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra, hitodika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’izao ANDROM-BAVAKA SY FIFADIAN-KANINA izao noho ny Herin’andro Fanahy Masina. Izany dia hivantana amin’ny RADIO FAHAZAVANA FM.88.6. Hitarika izany ny SAFIF sy SAMPATI Foibe.

Indro atolotra antsika ny fandaharam-potoana :

  1. LITORJIA

FIDERANA SY FISAORANA NY TOMPO

 (09ora-10ora)

  1. Fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra

Hira  Fanevan’ny faha 50 Taona FJKM : « Mijoroa »

Sal. 148 

Hira FFPM : 21 : « Derao Andriamanitra »

Vavaka Fiderana sy fisaorana ny Tompo noho ny tombon’andro sy ny asa vita rehetra

Sal.145

Hira : Salamo 145

Vavaka Fiderana sy fisaorana noho fahafaha-manompo Azy

Sal.25

Hira Salamo 25

Vavaka Fiderana sy fisaorana noho ny fiainam-piarahamonina

  • Sitrapon’Andriamanitra : Rom.8,5-17

.5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, 7 satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra.9 Fa hianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.12 Ary amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika – tsy amin’ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoana ny asan’ny tena, dia ho velona hianareo.14 Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.« Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ny fo rehetra; » (Salamo 119: 1-2) »

  • Hira SAFIF 105 « Aok’izay ny ditra »
  • Fiaiken-keloka
  • Vavaka fifonana
  • Hira FFPM  403 « Ry Jesoa Tompo Tsara ô »
  • Famelan-keloka : Ezek.36,25-30

25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ny jentilisa amin’ny mosary intsony ianareo.VOAVELA NY HELOKAREO NOHO NY ANARANY MASINA ; Amena

« Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.  Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. » (Sal 32: 1-2)

Hira FF7« Tsy hainay nny hangina »

  • Fanambaram-pinoana
  • Fanekem-pinoana Apostolika lah.1
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
  • Hira FFPM 177: « Ry Fanahy Mpanazava, Mitariha anay izao »
  • Vavaka
  • Vakiteny : MOFON’AINA : Neh.9, 20-25
  • Hira SAFIF.70 « Ry Fanahy Masina ao ambony »
  • Toriteny : Atoa, RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri, Filoha Mpanampy Birao Foibe FJKM
  • Vavaka fangatahana « Rainay izay any an-danitra »
  1. FAMPIANARANA (10 ora – 12 ora )
  2. Hira FF.4 : « Ry Fanahy ô »
  3. Vavaka
  4. Fampianarana I : « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA, Atoa RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina Filohan’ny SAFIF Foibe
  5. Hira FFPM.242 : « Misaotra anao izahay ry Ray »
  6. Vavaka
  7. Fanolorana laharana finday andraisana SMS, fangatahana vavaka
  8. Hira Hira Fanampiny 1 : « Mitsangana ianao ry mino »
  9. Vavaka
  10. Fampianarana II : TE HINO AHO KANEFA BE LOATRA NY AHIAHY, Rtoa TRIMOZAFY  RAFARAMALALA Dynà, Mpitandrina Tonia Dorkasy Foibe
  11. Vavaka
  1. RAKITRA (12ora-12ora 05)
  2. Hira SAFIF 121: « Vonona aho Tompo »
  3. Vavaka
  1.  VAVAKA FANGATAHANA( 12 ora 05 – 13 ora 00)
  • Hira FFPM 432 : « Mandrampihavin’ny Tompo mivavaha »
  1. S.M. Isa.1,2-9 :  Vavaka ho an’ny firenena
  2. S.M. Sal.146 : 1-10 :  Vavaka ho an’ny fahasalam-bahoaka
  3. S.M. Sal.18 : 1-6 :  Vavaka ho an’ny mila vojy
  4. S.M. Jos.24,13-17. Vavaka fianakaviana
  •  VAVAKA HO AN’NY FIANGONANA : 13 ora :00 –14ora 45
  • Hira SAFIF 356 : « Tokim-panompoana »
  • S.M. Mal.3,16-18

Vavaka ho an’ny Filoha sy ny Biraon’ny mpiandraikitra foibe, Mpiandraikitra foibe,Filan-kevitra momba ny fandaminana fiangonana foibe, Filan-kevitra momba ny fandaminana mpitandrina foibe

  • S.M. Gen.15,1-6
  • Vavaka ho an’ny Sekretaria Jeneraly, Mpanampy ny sekretera jeneraly, Fandraharahana, Mpiambina, Mpamily, Mpanadio trano
  • Vavaka ho an’ny Sampan’asa momba ny fampandrosoana SAF/fjkm, Komity fanorenana ny tsangambaton’ny maritiora (k.f.t.m), Tetikasa MFEE, Asa fifandraisana sy fampahalalam-baovao (AFiFaB) : Gazety Marturia Vavolombelona, Haino aman-jery,  Tranonkala (Site web), Arofenitra
  • Vavaka ho an’ny Arsiva sy tranombakoka, Komitim-pirenena miady amin’ny VIH/sida (KPMS/FJKM), Komity momba ny loharanom-bola maharitra, Asa fandraharahana ara-baiboly (fFB),OniversityFJKM Ravelojaona 
  • S.M. Jak.1,16-27
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Fiangonana (DF) : Tonia, mpanampy ny tonia,  mpandraharaha
  • Vavaka ho an’ny Hetsika Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara, Toeram-panomanana Mpitandrina : Komity Fampianarana Teolojika (KFT), Faculte de Theologie Ambatonakanga (FTA), Kolejy Teolojika Fianarantsoa (KTF), Kolejy Teolojika Ivato (KTI), Kolejy Teolojika Mandritsara (KTM), Kolejy Teolojika Ambatondrazaka (KTA)
  • Vavaka ho an’ny Sampana : Tanora Kristiana (STK),  Fifohazana (SaFiF), Lehilahy Kristiana (SLK), Sekoly Alahady (SSA), Dorkasy (SD), Vokovoko Manga (SVM), Mpanazava sy Tily (SaMpaTi), Fivondronana Laika (SFL)
  • Vavaka ho an’ny Sampanasa : Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (ffp), Fitoriana ny Filazantsara (AFF) ; Poste d’evangelisation
  • Vavaka ho an’ny Asa : Sekoly Fanomanana Laika (SeFaLa), Fiaraha-miaina amim-bavaka (mamre fjkm), Toeram-pamonjena zaza (topaza), Mahajery fandaharanasa miady amin’ny habokana, Aumonerie ; Komitin’ny foto-pinoana ; Vaomieran’ny Litorjia fjkm
  • Vavaka ho an’ny Biraon’ny mpiandraikitra foibe, Mpiandraikitra foibe,Filan-kevitra momba ny fandaminana fiangonana foibe, Filan-kevitra momba ny fandaminana mpitandrina foibe
  • S.M. I Tim. 4,13-16
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Sekoly fjkm :Tonia / Tale nasionaly, Mpanampy ny tonia, Mpandraharaha, iraka, Filankevitry ny foibe fitondran-tsekoly fjkm(ffs), aumônier, Talem-paritra
  • Vavaka ho an’ny Biraon’ny filankevitry ny foibe fitondran-tsekoly FJKM, Fari-piadidiampampianarana (fpmp), Tetikasa mahay (fanabeazana mampiaty), Tetikasa ebmi, Institut de formation et de recherches pedagogiques (ifrp), Fanohanana ny sekoly protestanta (fasep), Projet alphabetisation FJKM et éducation des adultes, Oniversity Ravelojaona
  • S.M.  Tit.2, 7-8
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Mpiasa sy Vola (dmv): Tonia, Ny tomponandraikitry ny vola, Fandraharana ny vola, Fandraharahana ny mpiasa, Mpandinim-bola
  • Vavaka ho an’ny Fitantanana ny fananana FJKM (FiFa), Trano printy FJKM imarivolanitra (tp fjkm), Trano famoahamboky antso,  Fivatsy Ambatomanga, Aroriaka, Akany FIalofana Tangaina
  • Vavaka ho an’ny Komitin’ny mariboninahitra sy mari-pankasitrahana, Komitin’ny kitapo iombonana sekoly, Fikambanana tahiry fitsinjo (FiTaFi), Kofehy volamena, Vaomiera maharitra ao amin’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola
  • S.M. ITim.3,1-13
  • Vavaka ho an’ny Synodamparitany miisa 38,Fitandremana, Fiangonana,VOMM Tobim-pifohazana, Biraon’ny SP, Mpihevidraharaha, Komity lehibe, Mpandinimbola, Mpandraharaha, Filankevitra momba ny fandaminana mpitandrina, Filankevitra momba ny fandaminana fiangonana, Mpitandrina sy ny fitandremana entiny, Katekista delege sy ny fiangonana entiny, Katekista, Mpiandry, Mpitoriteny,Diakona sy Loholona, Tale sy ny Sekoly iadidiany,Sampana, Sampanasa, Asa…
  • S.M. Mat.5,13-16, Efs.4,3
  • Vavaka ho an’ny Vondrom-piangonana sy fiangonana ifandraisan’ny FJKM: Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM), Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM), Eglizy Katolika Romana (EKAR), Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara (metm); Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (fmbm), Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
  • Vavaka ho an’ny Vondrom-piangonana sy fiangonana ifandraisan’ny FJKM: Communion Mondiale d’Eglises Reformees (cmer), Council for World Mission (cwm), Council for World Mission Africa Region, Conference des Eglises de toute l’Afrique (ceta), Communaute Evangelique d’Action Apostolique (cevaa), Conseil Œcumenique des Eglises (coe), Defap, DM-echange et mission, Presbyterian Church in the USA (pcusa), Quaker Peace and Service (qps), The Presbyterian Church in the Republic of Korea

8. VAVAKA Ho an’ireo nandefa sms :

Hira : FF.39  « Ray ô mba faniriako »

Soratra Masina : IJao.1,3

Vavaka

  • FAMARANANA  (14ora 45 – 15ora)
  • Teny Fisaorana
  • Hira FFPM 635 : « Aina no fetra »
  • Tsodrano : « Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy Tompontsika. » amen (Rom. 16:20 ; 1 Tes. 5:23)

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Amena

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV